kolon-tsaina

Pr Siméon Rajaona 100 taona : Hisy fifaninanana asasoratra ho tsangambato

Andrarezin’ny teny malagasy. Tsy ho lalovam-potsiny ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Pr Siméon Rajaona fa hanatanterahana tsangambato hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana. Pr Siméon Rajaona, teraka teto Antananarivo ny 18 febroary 1926. Tsy ho lalovam-potsiny io faha-100 taona io fa homarihina amin’ny fifaninanana asaso­ratra ho tsangambato. Hizara sokajy efatra ny […]

Concert classique de midi : Hiaka-tsehatra ny AMI Choir

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-165 ny « Concert classique de midi ». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny AMI Choir, ny talata 27 janoary, manomboka amin’ny 1 ora atoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum ho fampahalalana sy fampitiavana ary fampivelarana ny mozika klasika. Anisan’ny […]

Nate Tex : “Za”, rakikira mitantara fiainana…

Taona maro taty aorian’ny vokatra voalohany, tontosa ny rakikira faharoan’i Nate Tex. Hampahafantariny an-tsehatra ny “Za”. “Tena Zava-dehibe loatra amiko ity. Mitan­tara fiainana be ilay rakikira…”, hoy i Nate Tex, omaly, tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fo­toana nampahafantarany ta­min’ny fomba ofisialy ny fahatontosan’ilay rakikira faharoa io. Tsikaritra tamin’ny endrik’i […]

Taona 2026 – SBG: Hosantarina amin’ny « Asaramanitra bagasy »

Mitohy ny ezaka efa natao ho fampiroboroboana ny ba­gasy. Fantatra fa ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, no hifamotoana ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsa­havola ny Sehatra BaGasy (SBG). Fotoana hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy » na ilay fihaonana voalohany eo amin’ny samy mpitia bagasy. Ankoatra […]

Fikarakarana fampisehoana: Manolo-tanana ny Synops ny minisitera

Fifankalozan-kevitra eo amin’ny raiamandreny sy zanaka. Izay no nitondrana ny dinidinika teo amin’ny biraon’ny sendikan’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana (Synops) sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrin­drarivony Ogascar Fenosoa, ny alarobia teo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fitsidihana ara-pomba fi­fanajana, narahina fi­fam­pirarian-tsoa noho ny taona vaovao no tena natao. […]