Zara raha ahenoina sanganasa vaovao. Saika ireo efa noforonin’ny teo aloha ihany no averin’ireo tarika na mpihira aty aoriana. Tranga anisan’ny mampivarahontsana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy izy io. Ireo hira noforonina tany amin’ny taona 1950, 1960, 1970, 1980, no re etsy sy eroa. Na ireo heverina fa « mpanakanto » manana […]
kolon-tsaina
« Noho ilay fitiavana ihany…»: Hiverina an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana
Nahazo taona, saingy tsy lefy laza. Mbola vonona ny hisedra ny sehatra toy ny nataony nandritra ny taona maro nivalona i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana. Hamerina indray ireo hiram-pitiavana nitety vanim-potoana maro… Maro ireo tsy nanantena intsony. Hany ka hafaliana no nandrasain’ ireo mpankafy ny vaovao hoe hiverina hiaka-tsehatra […]
Sehon-dry Solomiral : Fihaonamben’ny mpianakavy
« Tao daholo », hoy ilay fomba fitenenana fandatsana ireo tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana. Fa dia nahalaza ny zava-nisy omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, tokoa anefa. Vory nanotrona ny fampisehoana nataon-dry Solomiral ny mpianakavy anaty mozika. Tsy ny mpankafy fotsiny no namaly ny antso, fa tazana tanaty efitrano koa ireo mpanao […]
Faritra Atsimo Atsinanana: Maniry Tranobe iraisana ireo Ampanjaka
“Tranobe” na “Lonaky” iraisan’ireo foko rehetra anatin’ny distrika 5 mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ ireo hetaheta nampitain’ireo Ampanjaka telo tonta ao Farafangana, solontenan’ireo raiamandreny ara-drazana ao amin’ny Faritra, tamin’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina sady mpanakanto Théo Rakotovao io. Nandritra ny fitsidihana izay notontosainy tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanatanteraka « Asaramanitra bagasy » ny Sehatra Bagasy. Sady hisantarana ny taona vaovao no fanohizana ny hetsika fanao isam-bolana. Amin’ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany folakandro. Hifampiarahaba, hifampizara fifaliana ireo mpitia sy mpikolo ny bagasy. Azo antoka ny hisian’ny fiaraha-mihira. Manana […]




