kolon-tsaina

“Festival Sagam”: Manandratra ny Salegy sega i Rayhas

Mpanakanto marolafy. Za­na­k’i Donné, mpikambana ao amin’ny tarika Randria Ernest, no tena nahafantarana an’i Rayhas Randria­manan­tena. Nanokatra ny lalany teo amin’ny fitrandrahana ny tsenan’ny zavakanto iraisam-pirenena izany, satria ankoatra ny maha mpihira sy mpitendry karazan-javamaneno azy, manan-talenta ma­nokana amin’ny fandihizana sy ny famoronana sora-dihy koa izy. Anisan’ireo voafidy hisolo tena […]

Faribolana Sandratra – « Antso laitra »: Hisokatra ny taom-piantsana 2025-2026

Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana San­dra­tra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Ma­lagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany. Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny […]

Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”

Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambo­lan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Ara­ka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]

Boky: Hivoaka eto an-toerana ny «Valihan’Ikaky»

Ny fangatahan’ireo Malagasy monina any ivelany te hahay ny kolontsainy no anisan’ny nahatonga ny famoahana ny boky « Valihan’Ikaky » voalohany tany ampitan-dranomasina. Ny hetahetan-dry zareo no novaliana mialoha noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny mpampianatra zavakanto sy kolontsaina any ivelany, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. Fantatra, omaly, fa hivoaka eto an-toerana […]

Antso farany ho an’izao tontolo izao : Boky manasongadina ny zava-misy ankehitriny

Antomotra tokoa ve ny fara andro araka ny ambaran’ny sasany? Hanao ahoana tokoa ny hoavy? Fanontaniana maro mpametraka mahakasika indrindra ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany ireo. Niezaka nitondra valiny narahina fanohanan-kevitra manodidina iza­ny ny mpanoratra Rabema­nantsoa Rintsamahefa, ana­tin’ilay boky nosoratany, Antso farany ho an’izao tontolo […]