«Tsy azo tsaraina ny zavakanto», hoy ny fomba fitenin-dry zareo vahiny. Na marina na tsia io fomba filaza io, tsy azo ihadian-kevitra kosa ny hoe : «voatsara ho azy» ny zavakanto. Anisan’ny mpitsara goavana sy tsy azo ialana ny vanim-potoana. Azo antoka kokoa ny maha «kanto» ireo antsoina ho zavakanto raha […]
kolon-tsaina
IFM Analakely : Ho avy ny “Taombaovao 2026”
Tsy fifampiarahabana noho ny taom-baovao fotsiny. Fotoana iray fanao isan-taona, maka endrika fety, fa indrindra hampahafantarana ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny lafiny zavakanto sy kolontsaina ny “Taombaovao” an’ny IFM Analakely. Hotontosaina ny sabotsy 24 janoary izao izany amin’ity, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. I Christophe David no hanao ny […]
“Africa’s Cultural Landmarks”: Hanasongadinana ireo harembakoka mijoro
Andiana horonantsary fanadihadiana ny “Africa’s Cultural Landmarks”. Araka ny anarany, entina hanasongadinana ireo harembakoka mijoro sy miavaka aty afrika, toy ny Pyramides any Gizeh, ireo Eglizy ambanin’ny tany any Tigé (Ethiopi) ary ny Vohitr’Ambohimanga izany… … Hatokana ho an’izay indrindra ny anio tontolo andro, hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena, […]
TARATRY ny KANTO
« Kabary malagasy: manamafy fihavanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Ny kabary io voalaza ao anatin’ny lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny kabary io. Fa ny mpikabary mba ahoana? Olo-mendrika sy fakan-tahaka. Mazava fo, matsilo saina, anti-panahy. Toetra mila ananan’ny mpikabary ireo. Firy amin’ny mpikabary no mahafehy ny tenany sy ny teniny? Anisan’ny miteraka adihevitra maro, ohatra, […]
Solomiral-50 taona an-tsehatra : Hanasa ireo namany anaty seho lehibe
“Vakojazzana”. Io ilay nampisaloran’ny Solomiral ny mozika lalaoviny. Ny taona 1975, 50 taona lasa izay no nanombohan’ny tantara ka tsy havelan-dry Hajazz mirahalahy avy handalo fotsiny izany, fa homarihina amina seho lehibe iray. Hotontosaina ny 18 janoary izao ny fanokafana izany jobily volamenan’ny tarika Solomiral izany. Hatao ao amin’ny Havoria […]




