Taratra

INDRAY MIJERY

Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana ny Koloaina. Tanjona ny hametrahana aro loza sy tandrim-pahasalamana ho an’ny mpiasa. Eo koa ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena mba hanamafisana ny firaisankinan’ny mpiara-miasa anatin’ny tontolo milamina sy mirindra. Mampahatsiahy hatrany ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa ny […]

Minisitera enina sy ny Unicef : Zatovovavy 200 tohanana hahaleo tena

Nisongadina taorian’ny fa­nadihadiana natao fa maro ny zatovovavy miala an-daharana any an-tsekoly. “Mahatra­tra 5 000 izany ho an’ny distrikan’i Vondrozo manokana”, hoy ny talem-paritry ny Fana­beazam-pirenena ho an’ny fa­ritra Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Ruffin Angelo. Ho fanarenana izany, misy ny hetsika iarahana miasa amin’ny minisitera maromaro: Fa­nabeazana, Rano, Fahasala­mam-bahoaka, Fampianarana teknika, […]

Zaitra : 930 ireo tanora nahavita fiofanana

Tanora miisa 930 nahavita fiofanana momba ny zaitra no notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy amin’ny Sesam Ambatoroka, izay notarihin’ny minisitry ny Fampianaranateknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanora 230 avy amin’ny andiany voalohany, nahazo fiofanana avy amin’ny Academy of Design and Innovation. Ta­nora 700 vao hiditra amin’ny tontolon’ny asa. Tanjona […]

Medical Missions Outreach (MMO) : Maherin’ny 3 000 ireo nisitraka fitsaboana

Miantsehatra mivantana eny anivon’ny fiarahamonina ny Medical Missions Outreach (MMO) mandray an-tanana ny fitsaboana. Maro ireo liana amin’ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Manatanteraka fitsaboana maimaimpoana eto Antananarivo ny Medi­cal Missions Outreach (MMO). Nitsidika ny toerana nandraisana ny hetsika ny lefitry ny masoivoho amerikanina, i Stephanie Arnold, sy ny mpanolotsaina misahana ny […]

TARATRY ny KANTO

Satria, iray ihany ny tanindrazana (Mada­gasikara), dia iray ihany ny Malagasy. Fa, mety ho samy hafa ny kolosaina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao. Samy manana ny azy. Io no anisan’ny mampiavaka ny Malagasy sy i Madagasikara. Faritra na toerana mifanakaiky, kanefa, ahitana fahasamihafana eo amin’ ireo lafiny ireo. […]