Taratra

Olana ara-pitiavana : Lehilahy saika hamono tena, nitsoraka tany ambany fiara

Nanapaka tampoka fiara nandalo teny Ampasika ny lehilahy iray, omaly. Nikasa hamono tena izy saingy tsy maty. Raim-pianakaviana tra-doza rehefa nitsoraka tampoka tao ambanin’ ny fiara marika Kia Pride, teny Ampasika, omaly tolakandro. “Tsy lavitra ny lalana miditra ny Rond-point, nitsambikina tampoka io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray […]

Filaharan’ny Fifa: Niverina eo amin’ny laharana faha-108 ny Barea

Miakatra hatrany! Na­moaka ny filaharan’ireo firenena, amin’ny taranja baolina kitra, ny Fe­derasionina iraisam-pirenena Fifa, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tse­raseran’izy ireo. Araka ny fikarohana natao, ni­verina eo amin’ny laharana faha-108 ny Barea, raha mbola eo alohany hatrany i Comores, mitana ny faha-105. Tsiahivina fa efa tany amin’ ny volana septambra 2024 no […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 17 sy 28 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Ny sokajy Cadet, Ju­nior, Senior no hifaninana amin’ny Low kick, Kick Fight ary ny K1 Rules. Hitiliana izay ho solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny […]

Handball – “Can U17”: Lavon’i Kenya ny Akion’i Madagasikara

Faharesena misesy ny azon’ny Akion’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny “Can U17”, vehivavy. Mbola resin’i Kenya indray izy ireo. Nitohy omaly alakamisy, tao amin’ny Kianja Complexe Miloud Hadfi, Algerie, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja hand­ball, sokajy U17, vehivavy. Tojo faharesena fanindroany in­dray ny Akion’i Madagasikara. […]