Mpamboly avokoa ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Antambolo, distrika Arivonimamo, faritra Itasy, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Maro karazana ny vokatra vokarin’izy ireo. Ahitana ny voatabia, ny voasary sy ny vary ary ny maro hafa. Anisan’ny mamatsy vokatra voatabia ho an’ny tanànan’i Mahitsy, i […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Hisy tetikasa hanodinana fako 800 t/andro ho lasa angovo eto Antananarivo. Hamokatra herinaratra 13 MW izany foibe izany hamatsiana ny Renivohitra sy ny manodidina. Efa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2025 ny fanatanterahana ity tetikasan’ny Filoham-pirenena ity. Hivoaka tsy ho ela ny fandefasana ny antso tolobidy ho an’izay orinasa hanatanteraka azy […]
Flyover Anosizato : Hasiana Tetezana, hitarina ny RN1 sy ny RN 58A
Hanomboka tsy ho ela ny fanorenana ny fotodrafitrasa lalana Flyover eny Anosizato. Efa nivoaka ny antso tolotrasa ho an’ny orinasa hanao ny fanorenana. Mitentina 25,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea). Efa nisy ny antso tolotrasa iraisam-pirenena navoaka tamin’ny taona 2023 sy […]
Fitantanana ny ACM : Tsy mbola voatendry ny tale jeneraly vaovao
Araka ny fikarohana natao omaly, tsy mbola tazana tao anaty tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fanendrena izay ho tale jeneralin’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara (ACM). Marihina fa efa namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikà (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny ACM, […]
Ankeniheny-Zahamena: Nohamafisina ny traikefa fiarovana ny ala
Miditra ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika izao. Nohamafisina ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpisehatra any amin’ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena. Natao ny 31 aogositra hatramin’ny 8 septambra teo ny fiofanana manokana ho an’ny Komity fanairana ifotony (CLV), misahana ny fanaraha-maso ny Faritra arovana any amin’ny Tandavanala Ankeniheny –Zahamena. Tanjona ny hanamafisana ny […]




