Rendrika teny am-pandehanana omaly, tao amin’ny elodranon’Antsiranana, ny lakana iray nitondra olona enina. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny tobim-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana (Bana), avy any Cap Diego ho any Antsiranana no rendrika tampoka teny am-pandehanana. Voalaza fa nisy fahasimbana ny lakana nentin’izy ireo ka nitarika ny fivadihana. Tonga […]
Taratra
Antohomadinika : Efa-dahy nahatrarana Héroine
Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « héroine » miisa efatra mirahalahy nosamborin’ny polisim-pirenena tetsy Antohomandinika, ny alatsinainy 5 janoary teo. Malaza ratsy amin’ny fisiana andiana tanora midoroka sy mitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika ny faritra Antohomadinika sy 67 Ha. Nanao fisafoana tampoka teny an-toerana taorian’ny nahazoany loharanom-baovao ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny […]
TARATRY ny KANTO
Nanavao ny momba azy manontolo ny Zanabaliha. 30 taona katroka tamin’iny taona nivalona iny no nijoroan’ity sehatra mikirakira momba ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Ny 3 janoary 2026 teo, nandritra ny fihaonan’ny mpanorina sy ny mpikambana ankehitriny no nanambarana fa miatrika fanavaozana lehibe ny Zanabaliha. Nohatevenina ny sehatra hanatanterahiny […]
Ho fampivelarana ny kabary taona 2026: Hampianatra maimaimpoana ny Manda
Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasa ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny kabary, tanterahin’ny fikambanana Manda Mpikabary, ny fampianarana izany maimaimpoana. Eny amin’ny biraon’ny boriborintany miisa 6 eto an-dRenivohitra no hanatontosana izany. Hetsika hanomboka ny sabotsy 17 janoary sy ny alahady 18 janoary ho avy izao. Haharitra 7 volana ny […]
Fanehoana ny kanto : Tsy atahorana ny « IA »
Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny fampiasana ny « Intelligence artificielle » na ny « IA » amina sehatra maro. Iray amin’ireny ny tontolon’ny zavakanto toy ny sary pika, sary hosodoko, ny sarimihetsika, ny mozika, sns. Amin’ny ankapobeny, ho fanampiana sy ho « fanatsarana » ny zavakanto no ampiasana ny « IA ». Sary pika matroka, hainy ny manadio […]





