Taratra

TSELATRA

Nendahin’ny olon-dratsy ny varavarankelin’ny trano iray nanaovan’izy ireo fandrobana tao amin’ny fokontany Tsarariva, fokontany Mahazoarivo, kaominina Ampefy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano ka nentin’ireo mpandroba ny entana sarobidy rehetra. Mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka voasambotry ny zandary tao Ivato, fokontany K4, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nahatrarana rongony […]

Vono olona teny Antanety : Tompon’antoka ny havan’ilay lehilahy maty

Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampa­notokana, distrikan’Ambohi­dra­tri­mo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitriman­jaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny […]

Kodiaran-droa nifandona: Olona telo naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany. Niseho tamin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 20 + 100 Antanimenabe, kaominina ambanivohitra Ambatomiraha­vavy, distrika Arivonimamo. Nifandona sy nifampikasoka tao anaty fiolahana ny moto scooter marika Jinglang sy ny moto routière marika Loncin iray hafa. Avy any Antananarivo hihazo […]

FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i Madaga­sikara ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ny olon’ny taona 2026 avy amin’ny gazety boky Afri­cain Leader­ship Magazine. Antony ny fanomezan-danja ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry izay voahosotra ho mpitarika afrikanina eo amin’ny politika, taona 2024. Nanatitra taratasy fa tsy nisy nandray […]