Tamin’ity herinandro ity, nidina ifotony teny amin’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany (SBex), teny Ankadifotsy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nijery akaiky ny fomba fahazoana vatsim-pianarana any ivelany sy nitondra fanazavana momba izany amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny tenany. Niresaka mivantana […]
Taratra
Taom-pambolena 2025-2026 : Volavolaina ny tetiandro
Natao omaly, teny Ampandrianomby, ny fivorian’ny mpisehatra rehetra amin’ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena 2025-2026. Tanjona ny hahafahana mamaritra ny dingana amin’ny famolavolana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy izany. Fitaovana hanampy ny tantsaha amin’ny fandaminana tsara ny asa fambolena ny fisian’izy io, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hitondra fanatsarana ny […]
Miova endrika ny tanànan’Antalaha : Mandray an-tanana ny fampivoarana izany ny JCA
Mifanome tanana ny tanora matihanina ao Antalaha, izay samy miantsehatra amin’ny maha izy azy avy ka nitondra fampivoarana ny tanàna. Mamirapiratra ny fahadiovana sy ny mari-pamantarana eny an’arabe taorian’ny fanavaozana. Nitondra endrika fanatsarana ny tanànan’Antalaha ireo tanora sangany ao an-toerana, na JCA. Namiratra ny tanàna ary nohavaozina ireo taklelaby famantarana […]
KMF/Cnoe : “Misy very zo amin’ny senatorialy”
anjara amin’ny fifidianana loholona ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/ Cnoe, i Haja Nirina, manoloana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’ny maha mpifidy vaventy azy, solontenan’ny olom-pirenena eny amun’ny faritra izy ireo. Nefa raha tsy handray anjara […]
Firenena mikambana : Miomana amin’ny fivoriambe i Madagasikara
Fanomanana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, ny 22-27 septambra. Io ny fivoriana teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Teo ny avy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny notarihin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika; ny mpandrindra maharitra eo anivon’ny ONU eto Madagasikara, i Anthony Ngororano, ary ny avy amin’ny fiadidiana ny […]




