Taratra

« Les Doctoriales » andiany faha-11 : Hanomezan-danja ny voka-pikarohana ho an’ny fampandrosoana maharitra

Nanomboka ny ta­lata ary haharitra efatr’andro ny hetsika « les doctoriales », andiany faha-11. Tontosaina eny amin’ny tranom-bokin’ny Oniver­siten’Antananarivo Ankatso izany. Hetsika ifanakalozan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mp­a­mpianatra, manana ny mari-pahaizana “doctorat”. Na­tao hampivondronana ireo doctorants eny anivon’ny Oniver­siten’Antananarivo sy avy any amin’ny faritra ary ireo oniversite sasany eto An­tananarivo sy avy […]

Fiteleman’ny ranomasina an’ i Legofa: Mila mifona amin’ny fadintany ny ray aman-dreniny

24 ora taorian’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, tsy mbola hita i Nathan na Legofa, tovolahy 14 taona natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Nilomano  tanaty ranomasina niaraka tamin’ny zatovolahy namany teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray izy. Raha ny angom-baovao, tovolahy tokony hiditra […]

Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: Mpilalao 25 hoentin’ny AS Fanalamanga

Hanainga amin’ny herinandro ho avy io ny AS Fanala­man­ga, hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny Caf, taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohany amin’ny Ferroviaro Mozambique. Nambaran-dRabeva­hiny Arlem, tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, omaly, fa mpilalao 25 no hoentin’ny ekipany miatrika izany. Any Mozambika avokoa no […]

Fitantanana maneran-tany : Misarika amin’ny lafiny fampandrosoana mirindra i Chine

Nanao fanambarana ny filohan’i Chine, Xi Jinping, nandritra ny fivorian’ny Organisation de Coopération de Shanghai (OCS) Plus, ny 1 septambra teo. Nambarany tamin’ny kabariny ny soso-kevitra ho fandraisana an-tanana ny Fitantanana maneran-tany (IGM), izay niantsoany ny firenena rehetra mba hi­ara-hiasa hanangana rafitra mi­rindra kokoa, ara-drariny ary mitovy lenta. Na mbola […]

INDRAY MIJERY

Nidina ifotony nanara-maso ny fidiran’ny mpianatra amin’ny Lycée maromaro eto Analamanga ny tale misahana ny Fampianarana ambaratonga faharoa (DES) sy ny ekipany tamin’ity herinandro ity. No­jere­na ny fandaminana ankapobeny sy ny famahana ny olana mety hisy. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony sy ireo mpianatra ary ny solontenan’ny ray aman-dreny ihany koa […]