Taratra

Rugby vehivavy – Divizionina 1 : Resin’ny SCB Besarety ny FTFA Antohomadinika

Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besare­ty sy ny FTFA Antohomadi­nika. Tamin’ny isa […]

Basketball 3×3: Mpilalao mendrika indrindra i Livio

Na dia tsy nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana aza ny ekipa malagasy, nandritra ny fifaninanana “International Basketball 3×3”, tsy mitsanga-menatra, satria voafidy ho mpilalao mendrika ny Malagasy mpilalao, Ratianarivo Livio. Ity mpilalao ity izay laharana voalohany amin’ny basikety eto Madagasikara. Tsiahivina fa tontosa tany Russie, ny faran’ny herinandro teo, […]

Filoha Rajoelina Andry: « Ny ezaky ny tena no mahatafita »

Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Ra­joelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasi­kara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Noto­loran’ny filoham-pirenena […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny atrikasa notanterahin’ny Direction d’apprentissage et de la formation qualifiante sy ny Direction d’ingénierie de formation et pédagogie, izay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’iny herinandro iny. Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny taranja Fampianarana momba ny fandraharahana izany, ho fampifanarahana ny votoaty sy ny fomba […]

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra : Andaniana hatramin’ny 600 000 Ar ny ankizy roa

Amin’ity herinandro ity ny fanomanana farany ny fidiran’ ny mpianatra, satria hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray izy ireo, amin’ny ambaratonga roa, ny 8 septambra izao, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa voaloa avokoa ny “Frais generaux” sy ny saram-pianarana volana septambra fa mbola mameno ny fitaovana sy ny boky ary […]