Nanamarika ny omaly ny fandresen’ny diplaomasia mahakasika ny kolontsaina sy politika malagasy. Efa nigadona an-tanindrazana, omaly, ny kabeson’ny Ampanjakaben’ny foko Sakalava: Toera. Nanome lanja manokana izany rahateo ny filohan’ny Repoblika. Taratry ny maha zava-dehibe ny fampodiana azy sy ny miaramila mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy izany. Mariky ny fiverenan’ny […]
Taratra
Komity foibe sy Zaikabe fahafolo : Handinika ny fiainam-pirenena ny FFKM
Maka bahana! Hotanterahina any Mahajanga, ny volana novambra izao, ny Komity foibe faha-47 sy ny Zaikabe fahafolo eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny hiompanan’izany ny fiainana anatin’ny fiangonana. Eo koa anefa ny fiainam-pirenena. Efa nandefa ny toromarika isaky ny faritany FFKM ho amin’ny fanomanana izany ny eo anivon’ny birao foibe. Anisan’izany ny […]
TSELATRA
Nahatratra mpanendaka (18 taona) iray ny polisy misahana ny fifamoivoizana manoloana ny Lycée Rasalama, afakomaly. Nanendaka olona nandeha taksibe io lehilahy io ary lasa nitsoaka avy hatrany rehefa azony ny findain’ ilay olona. Nanenjika io olon-dratsy io avy hatrany ilay polisy ka azo tsy dia lavitra teo. Hita teny aminy […]
Famitahana Cash point : Lehilahy tratra nampiasa vola sandoka 60 000 Ar
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora ny lehilahy iray. Nisoloky sy nampiasa vola sandoka eny amin’ny Cash point iray tetsy Ankadimbahoaka ny tenany. Mody mametraka vola 1 hetsy Ariary eny amin’ny Cash point io olon-dratsy io. Mitondra roa alina ariary miisa dimy izy, […]
Zava-mahadomelina : Nodorana ireo crystal Méthamphétamine
Nodorana sy nopotehina omaly, tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny “Crystal Méthamphétamine”, milanja 10,9 kilao. Karazan-java-mahadomelina mahery vaika izay ampiasan’ny olona sy hita misy mivarotra eny amin’ny takotakona eny izy ity. Nanatanteraka ny fandorana izany ny Polisin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana ny fandorana. Tsiahivina fa tratran’ny polisy miady amin’ny […]




