Taratra

Mahaiza mifety

  Hilaharana tsy misy ohatr’izany ny toeram-pizarana vola ho an’ny mpandray karama volana desambra. Ny faha-10 ny volana lasa teo no efa nanomboka nandray ny anjarany ny mpiasam-panjakana. Lasa aloha be tokoa satria mba anisan’ireo maika handeha hiala sasatra ihany koa ny mpanamboatra karama. Fety ny andro, maromaro ny fandaniana […]

Filoha, ny Kly Randrianirina Michaël: « Ilaina ny faharetantsika sy ny fahatokisana »

Nitohy omaly ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny any atsimon’ny Nosy. Nitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena ny tenany. “Firenena efa potika an-taonany maro no harenina. Tsy ho vitantsika ao anatin’ny andro vitsy anefa izany fa ilaina ny faharetana sy ny fahatokisana anay, ahavitantsika manarina ity firenentsika ity», hoy […]

TSELATRA

Nahitana sambo iray efa potika sy tsy fanta-piaviana tany amoron-dranomasin’i Mahanoro, tao amin’ny fokontany Ankazomirafy, ny 18 desambra 2025 tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Efa harafesina tanteraka ary tsy nisy nahafantarana ny momba azy. Tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny tomponandraikitra avy ao amin’ny APMF sy ny […]

Sprinter nodomin’ny kamiao : Naratra mafy ny mpamily sy ny mpanampy azy

Nifandona teny am-pandehanana teo Ambatofotsy, la­lam-pirenena fahatifo ny ka­miao iray sy ny fiara fitateram-bahoaka sprinter iray, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, voafaokan’ilay kamiao nifanena taminy ilay sprinter ka nipitika sy nifafatra tany amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter. Tery sy voatsindrin’ireo vy tamin’ny fiara tao ny […]

Mahajanga: Tovolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona azy, ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambon­drona, kaominina Mahajanga, omaly maraina. Nanampatra ny hatezerany tamin’io lasibatra io avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy nanatri-maso ny tranga tao an-toerana. Voalaza fa nangalatra io olona voasambotra io. Tezitra vokatry ny fanjakan’ny tsy fandriampahelamana […]