Vaky ny trano iray tao amin’ny fokontany Analankininina Hopitaly Be, kaominina Toamasina, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra teo, saingy resin-tory teo am-baravarana niaraka tamin’ny findain’ny tompon-trano ilay jiolahy. Taitra tampoka ny rangahy tompon-trano, tokony ho tamin’ny misasakalina. Talanjona izy fa efa misokatra ny varavaram-be ary misy olona […]
Taratra
Ambohipo : Roa lahy voasambotra
Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao […]
4X4 nifandona tamin’ny moto: raim-pianakaviana iray namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy, ny sabotsy tolakandro teo. Nipitika teny ambony moto nentiny izy. Fandehanana mafy sy tsy fitandremana avy amin’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana no nitarika ny lozam-pifamovoizana namoizana ain’olona tao Ambohibao, fokontany Tamoronala Firaisana, kaominina Soavinandriana, distrikan’Itasy, ny sabotsy […]
Fiompiana trondro: Nahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana
Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsimanaoraty Paubert, afakomaly, tany Mahajanga, fa efa mahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana amin’ny resaka fiompiana trondro eto Madagasikara. Araka ny fanazavany, efa mpiompy trondro avokoa ny antsasa-manila amin’ireo nahavita izany. Raha ho an’ny faritr’i Mahajanga manokana, manodidina ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena na ny Tsenaben’ny Fokontany Betsizaraina. Maro ireo olo-manan-kaja tonga teny an-toerana. Hifarana ny alahady ho avy izao moa ity Foara be etsy Betsizaraina ity. Hotanterahina ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao ny Marathon […]




