Taratra

Vehivavy hita faty nifatotra: Mpivady niaraka voarohirohy

Notazomin’ny polisim-pirenena ka natolotra ny fampanoavana omaly, ireo mpivady voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona tao Am­bohimandamina, kaominina Mahajanga. Mpivady mifanila efitra tamin’ny tokantranon’i Felicia, ilay renim-pianakaviana 29 taona hita faty tao an-toerana, tamin’ny alarobia 10 desambra lasa teo ireo voasaringotra ireo. “Nanao ny fanadihadiana avy hatrany izahay polisim-pirenena rehefa […]

Maintirano : Zazalahy 6 taona matin’ny voay

Namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny voay ny zazalahy iray vao enin-taona monja tao amin’ny fokontany Andrafiamivony, kaominina Bebaboky Atsimo, distrika Maintirano, afakomaly. Efa zatra mivezivezy amin’io toerana io ilay zazalahy. Niandry omby izy ka nikasa hamonjy fodiana niaraka tamin’ireo namany maromaro, tamin’ny 5 ora hariva. Manoloana ny fiakaran’ny […]

Lozam-pifamoivoizana tetsy Behoririka: Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ilay mpamily

Natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpamilin’ny fiara taxi-be 114, namoa-doza tetsy Behoririka, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana, omaly. Hatao ny 4 febroary hoavy izao ny fotoam-pitsarana. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsa­rana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizivavikely 6 taona tetsy Behoririka, ny 10 desambra lasa teo. Taorian’ny […]

Lalao Fihezama 2025: Mpandray anjara 400 no andrasana

Andro sisa isaina dia higadona ny sabotsy 20 sy alahady 21 desambra hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fi­taizana ny herin’ny zatovo Malagasy) 2025. Hetsika hatao any Manjakandriana. Mpan­dray anjara manodidina ny 400 eo no andrasana, araka ny nambaran’ny filo­han’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, izay mbola manentana hatrany ho an’ireo maniry ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niakatra an-tsehatra, omaly, tao amin’ny Kianja Complexe Stadium Cote d’Or, Maurice, ny Barea zan­driny, lahy sy vavy. Nahita fandresena roa nisesy be izao ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy an’i Seychelles, tamin’ny isa 4 no ho 0, sy ny La Réunion, 8 no ho 1. Fahom­biazana ihany koa ny an’ny vehivavy, […]