Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonimamo, ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, […]
Taratra
Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsara ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, […]
DAKA AN-JORONY: Lehibe ianareo ka tsy telina
Mbola miredareda ao am-pon’ny Malagasy 32 tapitrisa sy ireo mpiray tanindrazana mila ravinahitra manerana izao tontolo izao, ny dingana vitan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Chan 2024. Na tsy nitondra amboara nody aza, niravaka laza sy dera. Tsy ny teto Afrika ihany fa maneran-tany mihitsy. Nidera ny fahaizan’ny Barea ireo manam-pahaizana […]
Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola
Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]
Barean’i Madagasikara : Homena villa tsirairay ny mpilalao
Tonga an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara, omaly. Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika izy ireo. Notoloran’ny fitondram-panjakana villa tsirairay avy ny mpilalao sy ny mpanazatra. Miavaka! Tafaverina omaly, teto an-tanindrazana, ny ekipa nasionaly Barean’i Madagasikara, izay avy niatrika ny “Chan 2024”, tany Kenya, Ouganda, Tanzania, ny 1-30 aogositra lasa teo. Rehefa tonga teny […]




