Taratra

Miara-mirona  

  Raikitra! Anio ny fotoana hanoratan’i Madagasikara tantara eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Mino sy matoky isika Malagasy fa hitondra ny amboara mody amin’ny lalaon’ny Chan, taranja baolina kitra. Tsy hisy ahatohitra akory izany hafanam-pon’ny vahoaka 30 tapitrisa izany. Onja miabo faobe no entintsika manohana ny maherifontsika. Miara-mirona ara-bakiteny. Vanim-potoana ny […]

Minisitra Rasata Rafaravavitafika : « Fakan-tahaka ho an’ny fampandrosoana i Singapour »

Noraisin’ny praminisitr’i Singapour, Lawrence Wong, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, afakomaly. Nivoitra tamin’izany ny dingana vitan’ity firenena ity. Nifanakalozana teo amin’ ny roa tonta tamin’izany ny resaka fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy tomponandraiki-panjakana avy any Singapour sy i Afrika «Singapore–Africa Mi­nisterial Exchange Visit – Samev» […]

TSELATRA

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, afakomaly hariva, ny lehilahy 47 taona mpamily taxi-be zotra G. Tratra nihodina an-dalana izy ary tsy nanaiky nandray ireo mpandeha teo amin’ny fiantsonana. Nandrahona sy nanompa ny polisy izy rehefa nosakanana ary nosamborina sy nalefa any amin’ny biraon’ny CSP5 Mahamasina. Nogiazana vonjimaika […]

Fanolanana ankizy : Tovolahy 16 taona nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Mo­rarano, kaominina Andohara­nofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina […]