Taratra

Ankazomanga : Raim-pianakaviana maty nananton-tena

Hita faty nihantona tamin’ny tadin-kiraro tao an-trano fonenany, tetsy Ankazomanga Atsimo, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona. Nisy nandrahona tamin’ny finday foana izy andro vitsivitsy talohan’io tranga io. Tsy hita nivoaboaka ity raim-pianakaviana ity, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano tetsy Ankazo­man­ga Atsimo, vakim-paritra II, omaly maraina, ny […]

Vondrona Filatex : Vavahady noravahana loko afrikanina tatsimo

Notokanana, omaly, ny fo­todrafitrasa vavahady « Arche Malaga », an’ny orinasa Fila­tex Properties, ao anatin’ny Vondrona Filatex, eny amin’ny trano fonenana, akaikin’ny Marais Masay Antananarivo. Mampiavaka azy, ilay artista mpanao hosodoko afrikana tatsimo, Esther Mahlangu, 90 taona, fanta-daza maneran-tany amin’ny haitao Ndébélé no nampihaingo sy nandoko ity fotodrafitrasa ity. 90 taona i […]

Lapan’ny fanatanjahantena : Nahatanteraka ny fanambiny i Momota

Andro vitsivitsy nialohan’ny fampisehoana. Hoy i Momota : « hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay. Asehonay koa fa izahay mahafeno Palais des sports ». Izay tokoa ny zava-nisy tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana nampitondraina ny lohateny : « Cirque Momota Tic Tac Show ». Tafiditra tao anatin’ity seho ity avokoa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka anio ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Natao ny andrana ny zoma lasa teo. Ary nitohy ny sabotsy ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny olona manodidina ny zotra an-dalamby ny fisiany, fa indrindra ny fepetra tsy maintsy hajaina sy arahina. Nisokatra nanomboka ny 8 desambra […]

Orge malagasy : Manan-danja saingy tandindomin-doza

Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voa­angona tany Vaki­nan­ka­ratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra […]