Taratra

Fondation H: Feno ny fandaharam-potoana volana septambra

Iray amin’ireo toerana sy sehatra ahafahan’ny zavakanto mivelatra ny etsy amin’ny Fondation H Ambatomena. Karazan-kanto samihafa no handrafitra ny volana septambra eny an-toerana. Toerana tsy zoviana amin’ny mpanakanto sy ny talentany intsony ny etsy Ambatomena misy ny Fonda­tion H. Amin’io volana septambra hitsidika tsy ho ela io, feno tanteraka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanatanteraka atrikasa ho fampiharana ny tarigetra faha-15 ao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny fahasamihafan’ny biolojia Kunming, Montreal, ny minisiteran’ny Tontolo iainanana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, (Medd), omaly. Fantatra tamin’izany fa maherin’ny 90% ny zavamananaina tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Hotanterahina ny 29 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao, eny […]

« Salon de l’Agronomie 2025 » : Hampiroborobo ny fambolena mahazaka toetr’andro

Hatao eo anivon’ny Oni­ver­siten’Antananarivo, An­ka­tso, ny 1 hatramin’ny 5 septambra ho avy izao, ny “Salon de l’Agronomie 2025”. Man­dray an-tanana ny hetsika ny École supérieure des sciences agronomiques (ESSA), izay mikendry ny hampiroboroboana ny fambolena maharitra sy ny fananganana rafitra ara-tsakafo mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro, ara-toekarena ary ara-tsosialy. « Fambolena […]

Maka lesona!

  Afakampitso no hiakatra kianja indray ny Barean’i Madagasikara. Mbola mamerovero sy tsy mety lefy ny hafalian’ny mpiray tanindrazana. Mipololotra avy ao anaty ny fahasambaran’ny vahoaka 30 tapitrisa manerana ny Nosy. Na inona na inona satam-piarahamonina, na manao ahoana na ahoana ny fari-piainana dia Barea ihany no resaka. Ankoatra ny voka-dalao […]

Madagascar Airlines : Manohy ny asany ny tale jeneraly, i Thierry de Bailleul

Araka ny vaovao hita omaly, avy eo anivon’ny orinasa Madagascar Airlines, nohavaozina ny fe-potoana hiasan’ny tale jeneraln’ity orinasa ity. Mitohy ny sidina! Tohi­zana ny asa! Nana­mafy i Madagascar Air­lines, omaly, tao anaty taratasy ofisialy, fa mbola manohy ny asa maha tale jeneraly azy eo anivon’ity orinasa misehatra amin’ny zotram-piaramanidina malagasy […]