Taratra

Tsy fandriampahalemana : Tafaverina ireo omby roa lasan’ny dahalo

Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilima­liniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny ma­nam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana […]

Ankadifotsy : Lehilahy iray tratra namaky trano

Lehilahy iray tratra teo am-pamakiana tranon’olona tetsy Ankadifotsy Antanifotsy, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nosokafan’io olon-dratsy io ny vavahadin’ny tokantrano iray ary niditra an-keriny tao anatiny izy. Nahita izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony avy hatrany […]

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny zandary tetsy Ankazotoho

Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa etsy Anosizato ny alarobia alina hifoha alakamisy teo, tetsy Ankazotoho. Jiolahy miisa efatra lavon’ny balan’ny zandary. Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina eny Ankozotoho, kaominina Anosizato Andre­fana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly ali­na. Poa-basy maro no henon’izy ireo nandritra […]

Fanohanana ny Barea: Ifandrombahana ny mankany Kenya

Taorian’ny andro voalohany, efa tsy omby ireo olona nisoratra anarana ny fiaramanidina nomanin’ny fanjakana hihazo an’i Kenya. Mbola ma­ro ireo nilahatra, omaly, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana. Hitohy anio ny fandraisana ireo mbola maniry handeha. Taorian’ireny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena,   Rajoelina Andry, mahakasika ny hitondrana mpijery ho any Kenya, hanohana […]

Southside BJJ: Hahazoana vokatra tsara ny fampianarana ao amin’ny klioba

Klioba anisan’ny misongadina eto Analamanga ny Southside Brazilian Jiu Jitsu Madagascar. Ankoatra ny fifaninanana, mitaiza ny mpikatroka ao aminy hanana fi­sainana sahy sy mahavita ma­maha olana ary hampihatra izany eny ambony tatami ireo mpanazatra. Mametraka ho zava-dehibe ny fifampisintonana miakatra mba ho samy ho tafita. Mahay mampiasa araka ny tokony […]