Taratra

Tenisy ambony latabatra : Mbola lesoka ny lafiny fotodrafitrasa

Notanterahina nanomboka afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina malagasy, izay misahana ny taranja eto an-toerana, fa mbola lesoka amin’ny fifaninanana nasionaly tahaka izao ny resaka fotodrafitrasa. Nambarany […]

“Alley Hoop Quest”: Ekipa 80 hifaninana eo amin’ny Parvis Analakely

Hotontosaina ny sabotsy 30 sy alahady 31 aogositra izao, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fifaninanana “Alley Hoop Quest”, taranja basikety 3×3. Ekipa 80 no hifaninana. Raikitra ny fifaninanana! Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara. Nahitana ny RDJ, CUA, ny Federasionina […]

Lemak’Antananarivo : Harindra ny fampidiran-drano

Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’An­tana­narivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Ma­nara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Anta­nanarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fi­tantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano […]

Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany

Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany […]

ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master

Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master. Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, In­forma­tique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation ma­hatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toa­masina amin’izao fotoana […]