Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany. “Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifandresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sahady ny fanovana […]
Taratra
Be ny vokatra
Mitobaka manerana ny tsena ny karazam-bokatry ny tany sy ny rano. Tena varo-boba manerana ny tsena izany legioma sy voankazo izany. Dakan’ny “alika”, araka ilay fiteny hafahafa mahazatra an-dRamalagasy ny mahakasika azy ireny. Misy higalabonana tokoa, indrindra ho an’ny tsy tia hena. Ny hazandrano izany dia tena maro isafidianana […]
TSELATRA
Vehivavy telo voasambotry ny polisim-pirenena teny Andraisoro, ny 9 desambra 2025, tokony ho tamin’ ny 11 ora atoandro, lasa teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Andraisoro Ampasambahiny izy ireo. Nofatorany ny mpanampy tao amin’ilay trano ary nalain’izy ireo ny vola 2 000 000 Ariary, tablette iray, finday telo […]
Mpanampy an-trano : Nentiny nitsoaka ny 3 tapitrisa Ar sy zaza iray
Lasa nitsoaka niaraka tamin’ny vola mitentina 3 700 000 Ariary sy ankizivavy 14 taona, kilasy fahavalo, ny lehilahy 21 taona, antsoina hoe: Tiavina, afakomaly hariva. Mpanampy an-trano tetsy Anosibe Tsena izy io. Mpivarotra yaourt mandehandeha ny asan’ny renin’ ilay ankizivavy nitsoaka niaraka tamin’io mpanampy io. “Lasa nivarotra maraina toy ny mahazatra […]
Asan-jiolahy tao Toamasina : Roa lahy voaheloka higadra 10 taona
Tsy mitsitsy ny sazy! Roa lahy voaheloka asa an-terivozona 10 sy 7 taona, taorian’ny fitsarana azy ireo teo anivon’ ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly. Vokatry ny firongatry ny asan-jiolahy izay efa mampikaikaika ny rafi-piarahamonina ao an-toerana, tsy mandefitra manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny olon-dratsy ny mpitsara. […]





