Taratra

TSELATRA

Lehilahy iray nitondra kodiaran-droa, naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Tanjombato, omaly hariva. Nanao taingin-droa ary nitondra ny zanany lahy kely izy io tamin’izany. Nianjera ny moto notengainan’izy ireo ka niteraka ny loza. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana raha toa ka tsy naninona kosa ny zanany. Mpianaka avy […]

Vely « bois rond » misy fantsika: Lehilahy iray namoy ny ainy, tratra ny olon-dratsy

Novelesin’ny jiolahy ta­min’ny “bois rond” misy fan­tsika tany Mangarivotra, omaly, ny mpivady. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy i Crino Pierre, raim-pinakaviana 45 taona. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ny vadiny. Avy niandry faty tany Akirihiry ary hamonjy fodiana any an-tranony izy mivady ireo ny […]

Fandefasana mpiasa any ivelany: 30 ireo trangana fisolokiana, olona dimy naiditra am-ponja

Nahatratra 30 isa ny trangana fisolokiana mahakasika ny fandefasana mpiasa any ivelany, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny ra­haraha fampanoavana ny 4 sy ny 20 aogositra 2025 lasa teo. […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho fiaraha-miory sy fiombonana alahelo noho ny fahalasanan-dRatsiraka Celine, vadin’ny ami­raly Ratsiraka Didier ny filoha, Rajoelina Andry. Namba­rany fa olom-pirenena nanamarika ny tantaran’ny fire­nena, Ratsiraka Celine. « Mampahery ny zanany sy ny zafiny, ny havany ary ireo akaiky azy amin’ny anaran’ny vahoaka izahay », hoy izy. Nanazava ny maha filohan’ny Sadc ny […]