Notolorana ny taratasy fanamarinana manamarina ny nahatontosany ny fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny tanora 8 mianadahy, taorian’ny fianarana nandritra ny telo volana teny anivon’ny toeram-panofanana Vaha eny Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Mpampianatra afaka hisehatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa fototra izy ireo. Satria manana ny mari-pahaizana bakalorea fara fahakeliny […]
Taratra
Sports Envoy : Nanome traikefa ireo Amerikanina
Nanankarena fifampizarana ny “Fête du Basket NBA” notontosaina teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Sabotsy lasa teo. Nizara ny traikefany tamin’ny Malagasy mpilalao basikety ny kintan’ny basikety Amerikanina, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowels. Nisy ny “match de gala”, izay nandraisan’izy ireo anjara ary nampitolagaga ny mpanatrika ny lalao […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara Top 8 : Lavon’ny TFA Anatihazo ny TFMA Ankasina
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”, taranja rugby. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra ny adin’ny TFA Anatihazo (Pilo kely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Tafita amin’ny manasa-dalana ny TFA rehefa nandresy tamin’ny isa mazava, 37 […]
DAKA AN-JORONY: Ho solohoto sy firaka ny rehetra
Toy ny tantely ao am-bavan’ny hendry ilay fandresena azo lazaina fa miezinezina azon’ny Barea de Madagascar ka nahatafitana any amin’ny manasa-dalana ny Chan 2025 iny, ka tsy mety lany hamamiana. Tena endrehin-kaja ny Malagasy ary endrehim-boninahitra i Madagasikara. Tsy hita noanoa ny hafaliana tao anaty ka izay rehetra nifankahita toa […]
Volley – CAN U16 : Resin’i Egypte tamin’ny seta 3-0 i Madagasikara
Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Can, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, tanterahina any Tonizia. Resin’i Egypte tamin’ny seta 3 no ho 0 i Madagasikara. Tsy mbola tafiditra tao anatin’ny lalao mihitsy ny ekipa malagasy tamin’ity andro voalohan’ny fifaninanana ity. Betsaka loatra ny […]




