Vehivavy iray tokony ho 25 taona hita faty tao anaty tatatra, teny amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, omaly maraina. Tsy fantatra ny fianakaviany ary nanapa-kevitra ny hitazona ny razana ny kaominina eny an-toerana. Tsy nahitana ratra ny vatany, raha ny fahitana ny razana. Zatovolahy iray tokony ho 12 taona tratran’ny fokonolona […]
Taratra
Fifampikasohan’ny herinaratra: Trano telo kilan’ny afo tetsy Ambohipo
Nitrangana haintrano indray tetsy amin’ny tranon’ny mpianatra Ambohipo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Niainga tao amin’ny efitra iray fonenan’ny mpianatra ny fahamaizana. Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny fahatapahan’ny rano sy ny fitsokan’ny rivotra teny an-toerana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra nanontaniana. Vokany, bloc telo voakasiky ny afo. […]
Nilatsaham-potaka : Mpivady niara-namoy ny ainy
Namoy ny ainy ny mpivady nilatsaham-potaka teny amin’ny lalana mihazo ny trano fonenany ao Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nandeha an-tongotra izy telo mianaka. Ankizilahy 15 taona ny zanak’izy mivady izay niara-dalana tamin’izy ireo. Nanora-nikija ny andro saingy nanohy ny dia hatrany izy telo mianaka. Nirefotra tampoka ny varatra. Nilatsaham-potoka […]
Voaroba ny 3 000 000 Ar : mpanao Cash point nofafazana sakay
Lasibatry ny fanafihana ny mpanao Cash point iray teny Ivato, omaly maraina. Vola 3 tapitrisa Ar no nalain’ireo mpanao ratsy an-keriny. Voasambotry ny fokonolona kosa ny jiolahy iray. Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy roa nandroba mpanao Cash point, teny amin’ny kaominina Ivato, omaly maraina, tamin’ny 7 ora. Mpiasa […]
Nano Mada 2025 : Famelabelarana voka-pikarohan’ny nanotechnologie maneran-tany
Andiany fahatelo ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny nanotechnologie eto Madagasikara. Tanterahina eny amin’ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza, mandritra ny roa andro izany. “Nano Mada 2025”, izay ahitana famelabelarana voka-pikarohana maro amin’ny nanotechnologie maneran-tany sy ahafantarana ny fandrosoana hatramin’ izay. Misy koa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny manam-pahaizana malagasy sy vahiny tonga hanatrika ny hetsika eto […]





