Taratra

Toekarena : Mpiara-miombon’antoka ny Bad sy ny FMI

Vonona hanohana ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena hatrany ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nohamafisin’ny solontena maharitry ny Bad, Adam Amoumoun, tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, izany ny zoma teo, tetsy Antaninarenina. Nilaza izy fa manohana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy izy ireo. Ao […]

FANTINA sy FINTINA

Hirosoana ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao amin’ny Radio Fran­ce internationale (RFI), omaly. Alohan’ny faran’ny taona no heverina hanatanterahana izany. Hatramin’ny nanesorana azy, tamin’ny 12 oktobra lasa teo, tombanana ho any Dubai izy amin’izao. Na izany aza, misy […]

Depiote Raby Savatsarah : “Ny fikaonandoham-pirenena no hanafoana na tsia ny Fitsarana avo”

Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblikan’i Ma­­dagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay ta­min’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny la­làmpanorenana. “Ny fi­hao­nam­bem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny […]

Tsy mbola mahazo kivy  

Manomboka ny volana farany amin’ity taona 2025 ity. Hivalona anatin’ny fiovan’ny mpanao politika izy raha ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Nahazo mpitondra fanjakana sy fomba fanaovana politika vaovao hoenti-miampita any amin’ny taona 2026. Vanim-potoana hanaovana jery todika rahateo izao ka asa miiba sa miabo ny antsika mianakavy. Raha […]

Diplaomasia malagasy : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina

Tsy mbola foana ny fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny UA. Eo ny fitakiana tondrozotra marimaritra iraisana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Manamafy ny fahavononana hiara-miasa ny Raharaham-bahiny… Nohamafisin’i Madagasi­kara ny fahavononany hiara-miasa akaiky amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hisian’ny fitoniana maharitra sy […]