Taratra

Foara Ambalasira : Hampiranty ny fahaizany Amoron’i Mania

Hotanterahina mandritra ny dimy andro, ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra, ao Ambo­si­tra, ny Foara Ambalasira. «Mikendry ny hampiroborobo ny otrikarena ara-kolontsaina, ny asa tanana , ny fambolena sy fiompiana, ny jono, sns ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ny Foara Ambalasira », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Coo­pérative des experts associés […]

Masina ny aina  

Somary nangingina ny mahakasika ilay resaka Ambo­himalaza tato ho ato. Nivadika ho raharaham-panjakana rahateo izany tranga nahafatesana olona 33 izany. Ampy nanaovan’ny fianakaviana fisaonana rahateo ny fampidirana vonjimaika am-ponja ilay tompom-pety sy ny reniny. Niampy ireo mpiray tsikombakomba mivantana na ankolaka. Mainka nampiakatra ny moralin’izy ireo ny fandraisana manokana ny […]

Sainte Marie: Mamokatra saribao ekolojika ny vehivavy

Voalohany tamin’ny fifaninanana tanàna madio indrindra ny fokontany Ambatorao, any Sainte Marie. Nisitraka fiofanana sy fitaovana ny fikambanam-behivavy. Nikarakara izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), ny 2 ha­tramin’ny 5 jona lasa teo. Nahazo fampiofanana sy […]

TSELATRA

Lehilahy 28 taona hita faty tao amin’ny fokontany Fenomanana, kaominina Faravohitra, distrika Fa­ratsiho, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io faty io. Niantso ny tomponandraikitra avy hatrany ny fokonolona. Lehilahy mpisoloky milaza ho mahatafavoaka olona hiasa any Maorisy voasambotry ny polisy tao Antalaha, ny 12 aogositra teo. Nangalany lelavola 5 tapitrisa […]

Tsindron’antsy nahafatesan’olona : Nalefa eny Antanimora ilay lehilahy nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana te­tsy anivon’ny Fitsarana amba­ratonga voalohany Anosy, oma­ly, ny raharaha mahakasika ireo roa lahy nifanindrona antsy tetsy Ambohinosy Anta­nety II, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, ny 9 aogositra lasa teo. Mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy na­havanon-doza, izay nahavita namono nahafaty ny namany tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. […]