Mitohy any amin’ny faritra Boeny ny fanohanana ny fikambanam-behivavy izay tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Nomena tantsoroka ara-bola mitentina 23 800 000 Ar ireo fikambanam-behivavy miisa 12 naneho fahavononana hanangana tetikasa mitondra amin’ny fizakan-tena ara-pivelomana. Mifototra amin’ny asa tanana, toy ny zaitra sy rary, ny fahaizana mahandro ary fanodinana voankazo ny tetikasa […]
Taratra
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora : Niresahana momba ny fandraharahana sy ny fahasalamana
Handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny tanora (CIJ) faha-12 any New York ny delegasionina malagasy miaraka amin’ny minisitra mpiahy sy ny solontenan’ny faritany enina. «Ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao izy ireo no hanatrika izany fivoriana lehibe izany », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, […]
“Chan 2025”: Mila mandresy ny Barea
Ho fantatra anio ny ho tohin’ny lalan’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2025”. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, tanterahina atsy Tanzanie. Hifandona amin’i Centrafrique ny Barea, anio folakandro, eo amin’ ny andro fahatelo ho an’ny sokajy “B”. Fihaonana hatao […]
“Afrobasket 2025”: Hifandona voalohany amin’ny Ankoay i Nizeria
Nanomboka omaly, any Angola, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy. Anio no hiakatra an-kianja ny Malagasy. Hifandona voalohany amin’ny Ankoay, lehilahy, ny ekipan’i Nizeria, ao anatin’ny fifaninanana sokajy Seniors, araka ny fandaharan-dalao. Ny ekipan’i Kameronina kosa ny miandry azy ireo amin’ny zoma 15 aogositra ary ny ekipan’i […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy hatrany ny hetsika manodidina ny jazz. Taorian’ny « Jazz@Tohatohabato », manome fotoana ireo mpakafy izany eny amin’ny Craam, Oniversiten’ Ankatso indray, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny mpikarakara. Ny tarika Simy Nuée, ivondronan’ireo tanora hoavin’ny jazz eto Madagasikara, ampian’i Vazo Lee, zanak’i Silo izay efa manara-dia azy eo […]




