Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 aogositra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy […]
Taratra
“Raharaha Ambohimalaza” : Horaisina an-tanana ny havan’ny maty
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany. Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana. Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny […]
Fotoam-pialantsasatra 2025: Omena endrika vaovao handraisana mpizahatany i Toamasina
Ao anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra tanteraka isika izao. Maro ny fitsidihana ataon’ireo mpizahatany, vahiny sy avy eto amin’ ny firenena, amin’ izao fotoana izao. Efa nivonona amin’i zany ny tomponandraikitra isan-tokony, solontenam-panjakana any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara. «Omena endrika vaovao handraisana vahiny mpiala sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify. Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny […]
Fadintseranana : Mirindra ny Drafitra stratejika 2025-2029
Mitondra fanazavana ny Fitantanana foibe ny fadintseranana mahakasika ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo andrimpanjakana voakasika eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena sy ny fiarovana ny Drafitra stratejika vaovao mandritra ny 5 taona manaraka, ho an’ny taom-piasana 2025 hatramin’ny taona 2029, napetraky ny Fadintseranana […]




