Lehilahy iray 23 taona, voasambotry ny polisy tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora tolakandro. Voarohirohy nangalatra sy mivondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy manao fanafihana mitam-piadiana izy io. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra lasibatra ny 16 novambra lasa teo, no nahafahana nisambotra azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola 600 000 […]
Taratra
Fanafihana mitam-piadiana : Teratany sinoa voatafika sy voaroba
Mirongatra izaitsizy ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Teratany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tanamakoa parisela 12/14, ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo […]
Sambava : Zazakely roa hita faty tao an-tanimbary
Zaza mianadahy (telo taona sy fito volana) hita faty tany an-tanimbary tany Antanambao Antolongo, fokontany Maevatanana, kaominina ambanivohitra Ambodiampana Lokoho, Sambava, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Tsy hita nanomboka ny zoma lasa teo izy mianadahy ary efa nokarohina nanerana ny faritra sy toerana rehetra izy ireo saingy tsy […]
Tra-tehaka teny Andoharanofotsy : Jiolahy 11 nahatrarana fiara sy zava-mahadomelina
Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro […]
Fanohanana ny tanora: Hamoraina ny tsenan’ny asa
Tafiditra amin’ny vinan’ny minisiteran’ ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tarihin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Léonne, ny momba ny fanataterahana ny politikan’ny governemantan’ ny Fanovana. Ao anatin’izany ny ho fanatsarana ny tsenan’ ny asa ho an’ny tanora. Nomen’ny minisitera tantsoroka ara-teknika ireo tanora ao amin’ny faritra Itasy, ny herinandro […]





