Taratra

Mila firaisankina

Raha tsy misy ny sampona, efa milona tanteraka ao anatin’ny fihaonamben’ny Sadc ny Malagasy. Raha ny tatitra farany dia tsy ho latsaky ny folo ireo filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana ho avy eto Madaga­sikara. Izay tsy ho avy efa nanamafy ny fandefasana solontena. Tsy hisy ho latsaka ny firenena 16 mpikambana […]

Filoha Rajoelina Andry: Nandray ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc

Ho fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45, noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Lapam-panjakana Iavolohany sekretera mpanatanteraky ny Sadc, omaly. Nandray ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Sadc, i Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoelina Andry. Niompana indrindra amin’ ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny faha-45 hataon’ […]

TSELATRA

Nitombo iray indray ny maty tamin’ilay tranga teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Namoy ny ainy, omaly, tao amin’ny hopitaly HJRA, ny tovovavy iray, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra teny an-toerana. Efa nivoaka ny hopitaly io tovovavy io teo aloha fa naverina indray satria nananosarotra ny aretina. Mbola […]

May ny tsenan’ny Coum: Amina miliara ny tombam-bidin’ny entana levona

May kilan’ny afo tanteraka ny trano nisy rihana iray nahitana tsena fivarotana miisa enina, fivarotana rafia etsy amin’ny Coum 67 Ha Avaratra Andrefana, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. “Mahatratra amina miliara maro ny fatiantoka rehetra tamin’io famaizana io”, hoy Razafindrasata Andry Tafita, anisan’ny tompon’ny tsena may. […]

Antaravay-Toliara : Jiolahy lavon’ny balan’ny UIR

Maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana tao Antaravay, Toliara, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tamin’ny 11 ora. Enin-dahy no ren’ny mpitandro filaminana fa hanao fanafihana ao amin’io tanàna io. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny UIR rehefa nahazo loharanom-baovao. Nikoropaka ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny […]