Taratra

La Réunion Kely : Lehilahy mpividy entana halatra, voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy amin’ny La Réunion kely, omaly, ny lehilahy iray, 34 taona. Mpandray sy mpividy entana halatra eny an-toerana izy io. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olona iray ny nahazoana ity olon-dratsy ity. Tsiahivina, nitrangana vaky trano tetsy Ambohimi­rary, […]

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana

Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavima­so­andro, ny fankalazana ny An­dron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RC­TS). No­tsiahivin’­Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]

SOMBIM-BAOVAO

Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Maha­­janga raha tsy voarain’izy […]

Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana

Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy

Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa mala­gasy eo amin’ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, […]