Kaomisera sy Inspektera niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Tsinjoarivo Imanga, omaly. Simba tanteraka ny fiara nitondra azy ireo. Kaomisera miasa eo anivon’ny kaomisaria Tsiroanomandidy ny iray tamin’ireo polisy roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, PK 45 +200, hidirana ny tetezan’Imanga Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Miisa efatra […]
Taratra
Tsipy kanetibe – « Masters 2025 » : Nihemotra laharana fahatelo ny Malagasy
Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, […]
SOMBIM-BAOVAO
Anisan’ireo mpilalao 20 nantsoin’ny mpanazatra ny Paris FC, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonana amin’ny ekipa voafantin’ny UNFP, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Ity fifanandrinana ity, izay natao omaly, ary efa mamiratra tanteraka izy amin’izao fotoana izao. Hiatrika ny lalao hiadiana ny laharana amin’ ny taranja tenisy, sokajy […]
“Chan 2024” : Tsara toerana handimby an’i Dax i Mamisoa
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Benjamin Mkapa Stadium, Dar Es Salaam, ny fifandonan’i Tanzanie, mpampiantrano sy i Madagasikara. Lalao izay tafiditra amin’ ny andro fahatelon’ny fifanintsanana “Chan 2024”, tontosaina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ho an’ny vondrona “B”. Mbola baraingo ny mpilalao handimby ny toeran’i Dax, kapitenin’ny ekipa […]
« CJSOI » – Seychelles : Nahazo medaly 39 i Madagasikara
Afaka roa andro sisa, hifarana tanteraka ny lalaon’ny CJSOI atsy Seychelles. Manana medaly 39 i Madagasikara hatramin’ny omaly. Hifandona amin’i La Réunion, mandritra ny famaranana, ny Ankoay zandriny. Mitombo ihany! Omaly, nahazo medaly 39 i Madagasikara, taorian’ ny andro fahadimin’ny lalaon’ ny CJSOI, hetsika izay tanterahina atsy Seychelles. Araka ny […]




