Ambony ny ambana hidiran’ny ankizy maro anatin’ny fahantrana noho ny fampihenana ny vola fanampiana natokana hampiasaina hiarovana azy ireny, maneran-tany. Maherin’ny 400 tapitrisa ny zaza miaina anaty fahantrana ka tsy afaka mahazo sakafo sahaza sady tsy midio araka ny filana andavanandro, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef tao anatin’ny fanamarihana ny […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany i Jimmy Cliff. Mpanakanto jamaikanina, anisan’ny nanandratra voalohany ny mozika nampiavaka ny fireneny, ary lasa mpankanto malaza iraisam-pirenena nandritra ny taona maro. Vokatry ny aretin-tratra efa an-taonany maro no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Maro ireo hiran’i Jimmy Cliff mitoetra mandrakizay, toy ny “Many Rivers […]
Tontolon’ny literatiora: Tafatsangana ny « Akanga tsara soratra »
Fantatra omaly, fa niorina ara-panjakana ny fikambanana « Akanga tsara soratra » ka any Mahafaly, Vatofotsy Antsirabe, ny misy ny foibeny. Ny tontolon’ny literatiora no iangalian’ireo mpikambana ao aminy, ahitana mpanoratra, poeta, mpihira, mpanao slam, mpikabary, mpilalao tantara, mpanao teatra, sns. Tanjon’izy ireo ny hampitombo hasina ny literatiora malagasy izay maratran’ny fanantontoloana […]
«Festival Madagaslam» : Hetsika 3 mn, hanehoana aingam-panahy
Mahazo vahana ny slam. Hita sy tsapa tamin’ny fanombohan’ny “Festival Madagaslam” ny faran’ny herinandro teo izany, izay hitohy hatramin’ny 6 desambra. Hiavaka ao anatin’izay ny “3 mn”. 3 minitra. Mety ho kely amina fotoana hafa, fa mahavita hampitana hevitra maro kosa ho an’ny mpahay kanto. Hampiavaka ny herinandro faharoa amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 3 202,1 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana tao anatin’ny 10 volana voalohan’ny taona 2025. Azo nandritra ny volana oktobra ny 382 miliara Ar tamin’io vola io. Mitentina 19 464,3 miliara Ar ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena tontosa nandritra ny 10 volana tamin’ity taona ity. Hatreto, mbola i Eoropa sy […]





