Sanatrian’ny vava izay mifandatsa amin’ny zava-misy ankehitriny. Na tiana aza ny hangina, aleo lazaina ihany mba misy hisainana sy handajanlajan’izay voakasiky ny resaka. Inona ary no tiana hambara fa ny mahakasika ny raharaham-pitsarana momba ny olona sasany, nitondra teo aloha. Singanina manokana ireo hitam-poko sy hitam-pirenena nampikaikaika ny olona […]
Taratra
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy manadino ny ezaky ny mpitolona ny firenena”
Nitsidika sy nampahery ilay voatifitra tamin’ny tolona ireo filoha mpiara-mitantana efatra mirahalahy. Nambaran’izy ireo fa mitohy ny fanadihadiana momba ireo fitifirana sy ireo naratra nandritra ny hetsika na koa ireo niharam-boina. “Tsy manadino ny ezaka nataonareo ny firenena. Fitiavan-tanindrazana no nahatonga anao toy izao. Mankahery! Aza kivy… Eo foana izahay […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ka nahafaty ny zanany roa lahy tetsy Imerimanjaka By-Pass, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka izao nalefa vonjimaika eny am-ponja izao ny tenany. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Namoy ny ainy afakomaly ireo […]
RN7-Fiara tra-doza: Mpianaka niara-namoy ny ainy
Tsy tana ny ain’ny ramatoa iray 64 taona sy ny zaza vao efa-bolana monja taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, distrikan’Ambositra, ny 23 novambra lasa teo. Nitondra mpianakavy avy namonjy fahoriana tany amin’ny distrikan’Anjozorobe io fiara io. Nikasa hitodi-doha any Fianarantsoa izay tanàna fonenany izy ireo kinanjo tra-doza tampoka. Tafavoaka […]
Antohomadinika: Jiolahy voasambotry ny polisy
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ny jiolahy mpanao asa ratsy voasambotry ny mpitandro filaminana teny Antohomadinika. Nanao asa ratsy tao amina tokantrano iray ity olon-dratsy ity, ny herinandro lasa teo. Noraofiny, nandritra izany, ny entana sarobidy maromaro ka nanao fampahafantarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny lasibatra. Voarakitra tao anaty horonantsary rahateo ny […]





