Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina, ny « Sokake cup ». Fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipan’ny Hienghène Sports avy any Nouvelle-Caledonie. Anio no hifarana ny fihaonana ka ho fantatra eo izay hibata ny amboara. […]
Taratra
Tsipy kanetibe – “Masters 2025” : Novaina ny firafitry ny ekipa malagasy
Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy […]
Lalaon’ny CJSOI : Nahazo volamena 2, volafotsy 4 ary alimo 6 indray i Madagasikara
Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly. Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny Lalaon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Nahazo medaly 12 vaovao indray i Madagasikara, ka volamena 2, […]
Andohatapenaka : Olona roa maty voafaokan’ny 4×4
Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly. Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny […]
Toamasina : Notokanana ny kaomisaria Ambodimanga
Notokanana ny 31 jolay 2025 lasa teo, ny Kaomisaria Boriborintany voalohany Ambodimanga, ao Toamasina. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, notronin’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny MSP foibe sy ny Talem-paritra maromaro tonga any an-toerana. Nanome voninahitra ity fotoana ity ny […]




