Misy ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hotanterahina eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao. Voakasiky ny fanentanana ireo ankizivavy manomboka 9 taona hatramin’ny 14 taona aloha ny fidirana amin’ny fiainana ara-nofo. Aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. […]
Taratra
Fampianarana : Braille iraisam-pirenena ampiasaina eto Madagasikara
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny braille ampiasaina eto Madagasikara manomboka izao. Tombony maro ary fisokafana ho an’ireo olona manana olana ara-pahitana izany. Manomboka izao, ny famantarana braille fampiasa aty amin’ny tany miteny frantsay na maneran-tany no ampiasaina eto Madagasikara. Nisongadina izany nandritra ny fampiofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly manokana […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanomanana ny fivorian’ny Sadc. Nihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny manampahaizana manokana momba ny « Drafitra stratejika ho an’ny fampandrosoam-paritra » (RISDP). Tari-dalana mamaritra ny laharam-pahamehana ao amin’ny Sadc ity RISDP ity. Distrika faha-50 notsidihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, ny any Miandrivazo, faritra Menabe. […]
Foaran’ny findramam-bola: Fampiroboroboana ny fampiasam-bola
Hatao ny 30 sy ny 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny hetsika Foaran’ny findramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et investissements). Tanjona ny hanapariahana amin’ny daholobe hananana vahaolana amin’ny lafiny ara-bola, sady handraisana anjara amin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny rehetra. Mikarakara ity andiany voalohany ity […]
Mahajanga: Hitarina ny seranan-tsambo
Mandeha ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Natomboka ny 7 marsa teo ny asa, ary hita ny fivoarana. Efa manomboka ny fanorenana fitahirizan’entana, magazay lehibe. Vonona sy voaomana ny fitaovana rehetra hanalavana ny fiantsonana (quai) ny fiaingana sy ny fahatongavan’ny sambo. Eo am-pananganana ny trano hatao biraon’ny mpiasa ho an’ny fitantanana […]




