Taratra

Ampanjaka Toera: Homem-boninahitra ny kabesony

Hotanterahina eo amin’ny torapasika Nosikely Moron­dava, ny 8 hatramin’ny 17 aogositra 2025, ny hetsika « Ndao hangala morimoritsy ». Natao hanomezam-boninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ary hanamafisana sy hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fizahantany ao amin’ny faritra Menabe izy ity. Hisy ny lalao nentim-paharazana sy fanao ao an-toerana, toy ny kibara sy […]

MFA : Nanome toromarika ireo miaramila ao Mahajanga

Nanatanteraka fitsidihana ny toby kolonely Rasolonjatovo Claude Armand, ao Androva Mahajanga, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra mpitsabo sy mpitsabo nify tao Mahajanga ka nanomezany toromarika ho […]

Diamar any Eoropa : Miantso ny filoha Rajoelina Andry hanilika ireo tsy madio fo

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Diaspora manohana ny filoha Andry Rajoelina (Diamar) any Eoropa, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. “Mampirisika ny filoha Rajoelina Andry ho hentitra ary handray fepetra hanilika ireo tsy madio fo sy tsy vonon-kiasa ho an’ny tombontsoan’ny Ma­la­gasy manoloana ny vina napetraka”, hoy izy ireo. Nan­kahery […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny ezaka ho fisorohana ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo izay ataon’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitetezana ireo fokontany ho fametrahana ireo rafitra eny ifotony hisorohana ny areti-mifindra sy ny tazomoka ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Fotoan’ny didim-poitra sy famadihan-drazana izao. Maro ireo manao fety mampiasa zava-maneno mafy any […]

Akamasoa : Ankatoavina ny fiofanana arakasa ho an’ny tanora

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa teny amin’ny Akamasoa no nanomezany fahazoan-dalana hanokatra ivontoeram-panofanana sy ny fankatoavana ara-dalàna ny sampam-piofanana maro ao an-toerana. Anisan’izany ny fanofa­nana momba ny taotrano, taovy, herinaratra, fametra­hana ireo kojakoja amin’ny toeram-pidiovana sy ny lalandrano amina tokantrano, rafitra isan-karazany. Tsy […]