Nambaran’ny tale jeneralin’ny fananantany, Razafindratsimba Vonjy, tetsy Anosy, omaly, fa efa tsy afa-miala amin’ny niomerika amin’ireo antontan-kevitra momba ny fananantany sy ny vaovao momba izany ny fitondram-panjakana ary efa miroso any amin’ny “Digitalisation”. “Efa misitraka izany Antananarivo amin’ny fanomezana anaty minitra vitsy ny Titre sy ny kadasitra ary ny Plan […]
Taratra
Masina ny aina
Mihodina izay tsy izy ny raharaha eto Madagasikara. Indray mipi-maso no namoahan’ny filohan’ny Repoblika fanapahan-kevitra hentitra maromaro. Minisitra voaendaka tamin’ny toerany, raharaha Ambohimalaza voavaha amin’ny ampahany, mpanao hosoka iraisam-pirenena voasambotra anatin’ny 24 ora. Mbola noporofoiny fa haingam-pandeha izy rehefa mandray an-tanana ny raharaha miseho. Anisan’ny manahirana rahateo amin’ny fitantanana firenena […]
CSI : “Mila faritana amin’ny lalàna ny kolikolim-pifidianana”
Nitondra tolo-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny eo anivon’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI). Nivoitra tamin’izany ny kolikoly amin’ny fifidianana. “Rehefa misy mividy olona amin’ny fifidianana na manome vola olona mba hifidy ny tena, mihevitra ny rehetra hoe kolikoly izany. Nefa tsy mbola namaritra ny lalàna hoe kolikoly izany. Tsy […]
TSELATRA
Nafindra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Fenohasina, tompom-pety, taorian’ny fiakarany fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly. Nijanona eny amin’ny fonjaben’Antanimora ihany ny reniny. Mitazona ny fitoriana azy ireo hatrany ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona 30 mahery nandritra ny fety teny Ambohimalaza ny fianakavian’ny maty. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpitarika […]
Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy maty voatifitra, tratra ny mpimasiny
Voasambotra tany Sahavalaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny 27 jolay teo. Nirongatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny […]




