Taratra

Praiminisitra Joël Rakotomalala : Notsarovana ny nahafatesany

Notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo na Mauso­lée Avaratr’Ambohitsaina, omaly, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Praiminisitra ny Kly Joël Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy. Nana­tan­teraka ny fahatsiarovana teny an-toerana ny fianakavian’ny Kly Rakotomalala Joël niaraka tamin’ny sampandraharaha miahy ireo mpiady Tia Tanindrazana, notarihin’ny taleny, ny Jly Randrianantenaina Emilson, nisolo […]

Cercle Mess Fiadanana: Atrikasa fanavaozana ny sata mifehy ny miaramila

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Cercle Mess Fiadanana, ny 29 jolay 2025 teo, ny atrikasa mahakasika ny fanavaozana ny sata ankapobeny mifehy ny miaramila. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekre­­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Foaloalindahy, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, nisolo tena ny minisitry ny Foaloalindahy. Nam­baran’ity manamboninahitra ity fa […]

Kick Boxing-Analamanga: Nitombo ny mpandray anjara

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara ary niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny ligy. Ady miisa 69 no nitranga nandritra ny iray andro ary “classe A” ny […]

Fanafihana eny amin’ny RN2 : Jiolahy valo naiditra ao Ambalatavoahangy

Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville An­tsapanana, lalam-pirenena fa­haroa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao […]