Taratra

Fihinanana antsantsa: Telo namoy ny ainy, 12 manaraka fitsaboana

Olona 15 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny fokontany Analovana, kaominina ambanivohitr’i Fa­nam­bana, distrikan’i Vohemar, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra telo ireo olona maty vokatr’izany, hatramin’izao, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. 12 ireo mbola manaraka fitsaboana any anivon’ny hopitaly Salfa. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nihinana antsantsa […]

MPAMILY nahafaty olona roa: Nahazo sazy mihantona herintaona

Nivoaka omaly, teny anivon’ny fitsarana Anosy, ny didy momba ny mpamily fiara Mazda nandona ka nahafaty olona roa nitaingina moto teny Andraharo, ny 26 janoary lasa teo. Nampiaka-peo ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’io fotoana io, taorian’ny didim-pitsarana nivoaka. Nosazian’ny fitsarana higadra herintaona sazy mihantona ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza. Tsy […]

Raikely naiditra am-ponja: Mirongatra ny fanolanana sy ny fifamotorana

Mirongatra indray ny fanolanana. Zazavavikely vao 9 taona sy 13 taona no lasibatry ny raikeliny. Mahazo vahana ny fifamotorana. Andrasana ny fampiharana ny lalàna. Mitady hahazo vahana indray ny fanolanana ankizy sy tovovavikely amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro, olona efatra no naiditra am-ponja. Ny tena zava-doza, ny ray aman-dreny […]

Faragasy sy Dilo : Nahatafita hafatra ny « Soa Meva »

Tafiditra ao anatin’ny « No­vembre numérique ». Ny sabotsy 15 novambra teo no nanatontosan’i Faragasy sy i Dilo (Eat My Butterfly) mpanakanto avy atsy amin’ny nosy La Réunion ilay fampisehoana an-tsehatra « Soa Meva ». No­­tazonin’i Faragasy hatrany ny aingam-panahy maha Malagasy azy teo amin’ny tontolon’ny famoronana. Nam­piasa ireo zavamaneno vokatry ny fikarohana teto […]

MSK – Fi.Mpi.Ma maneran-tany : Hisy ny fampiasana ny fitomboka mena

Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma, 62 taona niorenana. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ity fikambanana ity sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina… Notanterahina, omaly, tao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy ny lanonana ho fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikamba­nan’ny Mpikabary Malagasy ma­neran-tany na ny Fi.Mpi.Ma […]