Taratra

FIVAPOVA : Nosokafana ny zaikabe andiany fahefatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina, omaly, ny zaikabe Fivapova, andiany fahefatra. Efa tonga any avokoa ireo mpizaika maherin’ny 3 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Talohan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy, nisy ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy Ramatoa vadiny, Rakotoarimanana Faniry, filoham-boninahitry […]

Fanolanana ankizy efa-taona : Voaheloka higadra dimy taona am-ponja i Francky

Nivoaka ny alakamisy 24 jolay maraina teo, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny valin’ny raharaha fanolanana, fametavetana ankizy tsy ampy taona “attentat à la pudeur”, voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana laharana faha -331, andininy voalohany. Nilatsaka ny didy ka no­melohina higadra di­my taona am-ponja Randria­marolahy Nambinin­tsoa Francky. Raharaha nandrasan’ny maro ity didim-pitsarana […]

INDRAY MIJERY

Maro ireo taranja nampianarina nandritra ny fiofanana maimaimpoana « Fijery hafa » ho fanohanana ny tanora ao amin’ny faritra Sava. Anisan’izany ny fandrahoana sakafo, ny fanamboarana mofo, ny fanamboarana fiara sy trano, ary ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina. Nanomboka ny andiany faha-8 amin’ny Heri­nandron’ny fampiroboroboana ny indostrian’ny Sadc. Natao hanohanana ny fandaharanasa […]

Hetsika ara-pahasalamana: Mifarimbona ny Tafika sy ny kaominina Ivato

Miaramila manakaiky va­hoaka, mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony. Io ny nasehon’ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ivato, tarihan’ny ben’ny Tanàna Randriana­risoa Penjy, sy ny tafika Mala­ga­sy, amin’ny alalan’ny Servi­ce régional du santé militaire Analamanga sy ny Zone de défense et sécurité Ikopa izay natao teny amin’ny Tranovy Mamory, omaly. Olona miisa 125 nanala […]

Tetikasa Salama : Hamaha ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tontosa ny herinandro lasa teo, teny Mandriambero, ny atrikasa fampahafantarana sy fanombohana ofisialy ny tetikasa “Sécurité alimentaire pour les enfants par l’appui à l’agriculture à Madagascar” (Salama). Iarahana amin’ny fikambanana “Un Enfant par la main” (UEPLM) sy ny mpiara-miombon’antoka “Amadea” ary ny “AEA” izany. Vatsian’ny Vondrona frantsay ho an’ny fampandrosoana […]