Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fanomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]
Taratra
Depiote Milavonjy Philobert: “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”
“Ny antso avo ataonay matetika avy aty amin’ny fanoherana: ny hirosoana sy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay efa nolazain’ny avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Heverinay fa izany no tokony hatao faran’izay haingana”. Io ndray no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy […]
Tsy sakana velively!
Mazava aloha ny tondrozotra izoran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, manomboka izao. Miasa avy hatrany anatin’ny fitsitsiana. Natomboka tamin’ny fampihenana ny vola hoenti-miasa eny anivon’ny minisitera isanisany izany. Ny fanabeazam-pirenena irery no nahazo ny fampitomboana noho izy heverina fa fototry ny fanavaozana. Omen-danja ny mpanabe! Anisan’ny paikady iray, mahomby, ny fahaizana mifehy […]
Antenimierampirenena : Minisitra enina no namelabelatra vina sy fanamby
Minisitra enina no namelabelatra ny vina sy fanamby teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Nilaza ny fahapotehan’ny lalana ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob. Antony, tsy nety ny fitantanana ny vola fikojakojana lalana. Hisy volavolan-dalàna hahamarin-toerana izany. Vinan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, ny hamerenana […]
TSELATRA
Olona roa namoy ny ainy teny amin’ny RN7 noho ny lozam-pifamoivoizana. Fiara 4*4 iray nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka teo Ampitatafika, Antanifotsy, omaly maraina. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambatolampy ilay fiara fitateram-bahoaka. Niditra ny lalana somary miholaka ny roa tonta, tsy nifankahita ka izao nifandona izao. Maty tsy tra-drano ny mpandeha […]





