Anatin’ny ady saritaka indray ry valala an-karona amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra intsony hoe iza no manao inona? Na inona no ataon’iza? Misambadidaka ambony ambany ny raharaha. Ny hita sy tsapa aloha dia manaotao fahatany ny sasany. Eo ny mahakasika ilay afera manokana, mainka ny zava-doza ny fiheverana ny […]
Taratra
Ho an’ny tombontsoam-pirenena : Nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery
48 ora taorian’ny nipoahan’ny raharaha fandefasana fiaramanidina tany Iran, nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery, niandraikitra ny fitaterana. Tsy nahaaro azy ny filazana fa voafitaka ny fanjakana malagasy. Efa nampoizina ! Nesorin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra tamin’ny toerany ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, […]
Fahasalamana : Ireo antony mety hahatonga ny fahamombana
Harena ny zanaka ka mila kolokoloina ny vatana mba ho salama. Anisan’ny aretina mpahazo ny mpivady ny fahamombana noho ny antony maro eo amin’ny fomba fiaina. Tsy ny vehivavy ihany fa ny lehilahy koa dia mety ho momba. Araka ny nambaran’ny dokotera Rakotonindrina ao amin’ny Centre médical Claym etsy Alakamisy […]
Fihaonana an-tampon’ny SADC : Misy ny fanamafisana ny tombontsoa efa azon’i Madagasikara
“Ao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc, misy ny fanamafisana ny tombontsoa efa azontsika amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa, izay miompana amin’ny lafiny angovo sy ny toekarena manga”. Fanazavana nentin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny amin’izay mety ho tombontsoa azo amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny […]
TSELATRA
Fiara sprinter niharan’ny firehetana tampoka teny Ambohibary, kaominina Sabotsy Namehana, omaly maraina. Mpanatitra entana io fiara io ary tsy nisy olona tao anatiny. Nifamonjen’ny nanatri-maso novonoina ny afo. Niharan’ny firehetana ny trano iray teny Ambatomitsangana, fokontany Androhibe, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny mpamono afo ary tsy nisy aina nafoy. Heverina […]




