Taratra

Nikasa handositra tao amin’ny birao: Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandary

Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny zandary teny Fenoarivo, afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Rehefa nikasa handositra sy handrombaka ny basin’ny zandary iray nanao andrimaso azy tao amin’ny biraon’ny zandary. Notazomina sy natao fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy rehefa voasambotra ny alahady 27 jolay lasa teo. Efa nitady hirika […]

Paraky-Andrefan’i Mananjara: Efa-dahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Basy poleta niampy bala telo saron’ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Mahamasina, tany amin’ny efa-dahy, teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alahady 27 jolay maraina teo. Nanao fisafoana alina teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nisy andian-dehilahy naneho fihetsika hafahafa ka nanatona ny mpitandro filaminana. Natao ny fisavana. Nahatrarana rongony ireo lehilahy […]

Resin-tory teo amoron-dalana : Lehilahy iray maty voahitsaky ny fiarabe

Voalaza fa resin-tory teo am-piandrasana ny sisin’ala tany Ambodimanga ny lehilahy iray. Nianjera tany amin’ny arabe izy ary voahitsaky ny fiarabe sendra nandalo. Maty tsy tra-drano ary vaky niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany. Lehilahy iray tokony ho 40 taona maty vaohitsaky ny fiarabe mpitatitra tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly atoandro, […]

SOMBIM-BAOVAO

Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki. Nisolo tena an’i Madagasikara, […]