Taona 1950 hatramin’ny taona 1960. Tsy nampaninona an-dry zareo vahiny, indrindra fa ny Eorôpeanina ny nanafatra tarika mpihira na mpanao vakodrazana iray manontolo avy aty Madagasikara. 25 na maherin’ny 30 aza ny isan’ny mpikambana tao anatin’ny tarika iray. Taona 1960 – taona 1972, voatazona ny isa, sady, vao mainka nitombo […]
Taratra
« Festival Tsakaraka » : Reharehan’i Vohemar
Manana ny hetsika ara-javakanto sy ara-toekarena mampiavaka azy avokoa ny distrika rehetra. Tsy ambaka an’izany koa i Vohémar, anatin’ny Faritra Sava. Izy aza no manana ny « Festival » ara-kolontsaina izay anisan’ny zokiny indrindra, satria efa tamin’ny taona 1999 no nisy. Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao […]
60 taona ny tarika : Manohy, mamelona ary mampita ireo zanaky Ny Voanio
Ny kanto mitoetra. Tsy nionona tamin’izay ireo taranaky ny tarika Ny Voanio, fa nanapa-kevitra ny hanohy sy hamelona ny zavakanto efa notozoin’ireo raiamandreniny. 1965-2025. Feno 60 taona izao no nisian’ny tarika Ny Voanio. Be ny nitranga nandritra izany fotoana izay. Teo ny fahalasan’ireo mpikambana sasany, ny tsy nahenoana ny tarika […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, pasitera Mailhol, araka ny fampitam-baovao omaly. Voaresaka ny fampianaran’ny fiangonana ireo voafonja eny Antanimora, Manjakandriana, ny fonjaben’i Tsiafahy ary Imerintsiatosika. Tokony ho saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny vahoaka ifotony, araka ny nambaran’ny […]
Fanatsarana ny lalàm-pifidianana : Mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni
“Amin’izao fotoana izao, mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fakan-kevitra hanatsarana ny lalàm-pifidianana. Nampahafantatra ireo dingana ahazoan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanoloran-kevitra ny Ceni. Nandefasany taratasy misy fafana avokoa ireo mpiantsehatra amin’ny raharaham-pifidianana: mpanao politika, fiarahamonina sivily, tontolon’ny […]




