16 taona ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-sosialy eto Madagasikara (Fimibeama). Miorina eny Alasora ary efa manana sampana manerana ny Nosy izy ireo. Ny fahatsapana fa betsaka ny tsy fahalavorariana mahazo ny zokiolona eo amintsika no nanosika ny mpanorina ny fikambanana hisafidy ny hikarakara azy ireny. 50 mahery ny […]
Taratra
Antsirabe : Nisy ny asa tanamaro nanadiovana ny Tsena Sabotsy
Ny fanadiovana ny tsena no asa voalohany nataon’ny rehetra hirosoana amin’ny fanarenana vokatry ny afo. Niray hina ny rehetra nahitana ny sokajin’olona samihafa noho ny fitiavana ny tanànan’Antsirabe. Nifanome tanana tamin’ ny asa tanamaro fanadiovana ny Tsena Sabotsy taoriana ny fahamaizana nitranga ny mpiasam-panjakana, sehatra tsy miankina, fikambanana samihafa, olon-tsotra […]
Distrikan’i Maroantsetra : Nahazo kianja roa manara-penitra
Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny Kianja roa manara-penitra, eny an-drenivohitry ny tanàna sy ny ao amin’ny kaominina Anjahana. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, ny hetsika tahaka izao. Tsara ny mampahafantatra fa zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny Fanatanjahantena ny […]
“Grand Skate Tour” : Handray anjara i Madagasikara
Nahazo fanasana handray anjara amin’ny “Grand Skate Tour” indray i Madagasikara. Fifaninanana hotontosaina any Rosia ny volana aogositra izao. Rasolofonirina Jean Christ, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Lofo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany amin’ny taranja Skate ity. Ny hitondra amboara hiverina an-tanindrazana no tanjon’i […]
Tenisy – Coupe Davis :Tsy tafakatra ao amin’ny vondrona IV ny Akomba
Taorian’izay fandresena intelo nisesy nandritra ny fifanintsanana Davis Cup, izay natao tany Botswana, ny herinandro lasa teo. Lavon-dry zareo Botsoaney, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipa nasionaly malagasy ny sabotsy lasa teo, ka tsy hiakatra ao amin’ny vondrona IV. Mbola mijanona ao amin’ ny vondrona V, indray i […]




