Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha mahakasika ny fanindronana antsy olona teny Andoharanofotsy, ny 19 hifoha 20 jolay 2025 lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray nahavita nanindrona antsy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy lanonam-pianakaviana teny Andoharanofotsy […]
Taratra
“Mosquée” Ambolokandrina : Mpangalatra voasambotra
Voasambotra ny olon-dratsy nangalatra finday sy kapan’ ireo mpivavaka tao amin’ny Mosquée Ambolokandrina, ny 22 jolay tamin’ny 09 ora alina. Nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ io olona io ny polisy nanao ny asa fiambenana tao amin’io fiangonana io ka nisambotra azy. Niezaka handositra niaraka tamin’ireo entana nangalariny io lehilahy io […]
Fiara tapaka hisAtra : Vehivavy iray maty notrongisin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano, voatrongin’ny kamiao ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny sabotsy alina. Teo anelanelan’i Tsinjony sy Ambalavao, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany. Tra-doza teo amin’ny PK27+700, anatin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’ ny 8 ora sy sasany ny kamiao mpitatitra entana niainga avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Antsirabe. “Nitondra entana […]
Fanjifana : Efa ilaina andavanandro ny MVola
Miova tanteraka ny fanjifana! Araka ny efa namantarana azy tato anatin’ny 15 taona, fifanakalozana ara-bola niomerika amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Tsy mila mikirakira ravim-bola intsony. Lasa vokatra ilain’ny andavanandron’ny (PPN) ny mpanjifa, ankehitriny, ny MVola. Azo ampiasaina handoavana ny fandaniana samihafa, toy ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pamandrihana Canal +, […]
Ivato-Ambohitrimanjaka : Hisokatra amin’ny volana aogositra ny lalana
Vita ny ampahany farany amin’ny lalana « voie rapide » vaovao. Miainga eo amin’ny fihodinana « rond-point » Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mirefy 4 km ity ampahan-dalana ity, izay hanomboka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy io. Nijery ifotony teny an-toerana, ny minisitry […]




