Taratra

TARATRY ny KANTO

Tsara, mahay, kanto… Mbola voaporofo indray fa izay nahay nametraka an’ireo ao anatina vanim-potoana iray… Tsy hadinon’ny olona mihitsy. Raha manana ny maha izy azy ny kalon’ny fahiny, hatramin’ izay ka hatramin’izao. Tahaka izany ihany koa ny sanganasan’ireo mpihiran’ny taona 2000. Tsy latsa-danja ihany koa ny teo anelanelan’ireo fotoana roa […]

Samoëla, Mahaleo, Lôlô sy ny tariny : Ni-« Revy Revy mody masoandro » ny mpijery

Ny fodian’ingahibe ma­soandro, tsy nanakana ny hafanana nandritra ny seho iray manontolo. Voatazona hatramin’ny farany ilay hevitra voarakitry ny lohatenin’ny fampisehoana, notanterahina teny amin’ny parking CCI Ivato, omaly, tolakandro. « Revy Revy mody masoandro », nahitana an’i Samoëla, Mahaleo, Lôlô sy ny tariny (bebey, Benny, Nini). Na samy manana ny mpan­kafy azy […]

Seho santatra: Hanampy ny manano­tena ny « Jaim »

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina ilay fampisehoana « Antsam-piderana lehibe miavaka », nokarakarain’ny fikambanana Jerin’ny avara-pahalalana ilon’i Madagasikara (Jaim). Seho nandraisan’ireo tarika andrarezin’ ny hira evanjelika toa ny KTKT Toliara, TGC, Henika, Chorale Lova Militaire Toliara. Fantatra fa hetsika voalohany nokarakarain’ny Jaim ny omaly. Hanampiana ireo reny mananotena sy ny zaza kamboty […]

Toy ny vao omaly… : Nahatazona ny lazany ry zareo « Génération 2000’s »

Nanodidina ny taona 2000 no tena nitoeran’ny lazan’ireo mpanakanto na tarika nandray anjara tamin’ilay seho « Génération 2000 », omaly. Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. Lany ny tapakila. Tonga maro ny mpijery ! Ton­tosa, omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina ilay seho an-tsehatra lehibe nampitondraina ny lohateny « Génération […]