Taratra

TPC Soarano-Ivandry : Andramana hitateran’olona amin’ny fihaonan’ny Sadc

Nanao tatitry ny asa vita mahakasika ny zotra an-tariby amin’ireo fiatoana N°2 izay mamaramparana ny asa ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao. Hiditra amin’ny fankatoavana ara-teknika io ampahany farany io ny teknisianina iarahana amin’ny cabinet Veristas. Tsy mbola nahazoana alalana hampidirana olona ireo fitaovana mampitohy an’i Soarano […]

Bakalorea : Nisy mpitandro filaminana nivarotra laza adina

Nampitandrina ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy hitsitsy amin’ireo mandika lalàna manoloana ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea. Efa natao famotorana ilay voalaza fa mpi­tandro filaminana nilaza ho mivarotra laza adina. Nandritra ny fanokafana ny fanadinana Baka­lorea, omaly, nanao fi­zarana teo amin’ny pejiny ny minisiteran’ny Fampianarana ambony […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitohy tany Brickaville ny « Diaben’ny Famo­karana », ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nahatratra 500 ny tantsaha sy mpiompy nahazo fiofanana, ny 17 jolay teo. Niofanana ny teknika Pfumvudza, mamokatra be amin’ny tany kely, ny fambolem-bary Papriz mampiakatra ny vokatra, ny fambolena akondro, ny fanovana ny fiompiana sns. Nampahafantarina ny tomponandraikitra […]

FER 2025: Manan-karena am­ba­nin’ny tany i Toliara

Nandray anjara tamin’ny velakevitra nandritra ny Fihao­nam­bem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa, natao tany Toliara, ny 17 sy 18 jolay teo, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS). Lohahevitra noraisina ny « Atsimo Andre­fana, tany manan-karena an-kibon’ny tany ». Nisolo tena ny minisitera, ny talen’ny Kabinetra, Rakotomalala Tahiry Andria­miarintsoa, nanazava ny fampahafantarana ireo fanavaozana […]