Taratra

Lapan’ny Tanàna : Manameloka ny fidirana an-keriny ny SACUA

Manoloana ny fidinana an-dalambe ataona vondron’ olona sy ny mpanao politika, manameloka ny fidirana an-keriny ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny sendikà mahaleo tena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Ren­ivo­hitra. Nambaran’izy ireo fa sokajina ho fanafihana Lapa ny fidirana an-keriny ao. Anja­ran’ny fanjakana ny miaro izany. “Tsy resaka fiarovana na tsia […]

Taom-pahavaratra 2025-2026: Ampifanarahana ny vina sy ny asa atao

Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny atrikasam-pirenena momba ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Niara­hana tamin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny MGD, ny Pam ary ny BNGRC izany. Mampikorontana ny fiainan’ny zavaboahary ny fiovaovan’ny toetry ny andro kanefa tsy azo ihodivirana noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny […]

Fihaonan’ny filohan’ny oniversite : Novahana ireo olana maika, toy ny jiro sy rano

Fihaonana voalohany tamin’ny minisitra vaovao sy ireo filohan’ny oniversite no natao omaly, tetsy Fiadanana. Nijerena haingana ny vahaolana maika, toy ny jiro sy rano, izany. Niompana tamin’ny fandaminana ankapoben’ ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fihaonan’ ireo filohan’ny oniversite sy ireo tale jeneralin’ny IST. Fihaonana voalohany niarahana tamin’ny minisitry ny Fa­mpianarana […]

TARATRY ny KANTO

Nate Tex, ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela tsy tazana an-tsehatra, saingy manohy foana ny mozikany i Nate Tex. Teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika nisy teto amin’ny firenena, amin’ny maha mpanakanto mahatsiaro ho manana andraikitra. Hihaona indray amin’ireo mpakafy azy, ary hizara ny mozikany ranofotsiny i Nate Tex […]