Taratra

FANTINA sy FINTINA

Hatao any amin’ny faritra Ambatosoa indray ny filankevitry ny minisitra ny 25 sy 26 jolay izao. Hotokanana amin’izany ny kianja sy tsena any an-toerana ary ireo fotodrafitrasa maro aorian’izany filankevitry ny minisitra izany. Tsiahivina fa ahitana ny distrikan’i Mananara sy Maroantsetra ny faritra Ambatosoa. Mitaky ny hamoahana ny marina momba […]

Madagasikara-Vondrona afrikanina : Mifototra amin’ny fifampitokisana ny fiaraha-miasa

Fanehoam-pisaorana sy famerenana ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina (UA) mifototra amin’ ny fifampitokisana. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny solon­tena manokan’ny filohan’ny Vao­mieran’ny UA sady lehiben’ny Biraom-pifandraisana UA eto Madagasikara, Sem Alice Nzomukunda, teny amin’ny birao fiasany Anosy, omaly. Mamarana […]

Mivadibadika toa lela may !

  Mba mahavariana ilay zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Tena misy sokajin’olona manao izay danin’ny kibony amin’ny famotehana ilay fitondram-panjakana. Tsy mba olona ety ivelany akory, fa ny ao anatiny ihany no manao mpamosavy malemy. Tsy takona hafenina ny fahalovana izay miseholany etsy sy eroa. Ny tena zava-doza dia ity firaisankina […]

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Aoka tsy atao resaka politika ny Raharaha Ambohimalaza”

Naneho hevitra manoloana ny raharaha nitranga tao Ambohimalaza ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa ahodin’ny sasany any amin’ny resaka politika io raharaha io. Hentitra ny minisitra. “Ma­nodinkodina ny zava-nisy ho resaka politika ny depiote Randrianasolo­niaiko Siteny nefa efa nandray an-tanana ny raharaha ny fitondram-panjakana […]

Nangalatra 6 tapitrisa Ar : Ankizy telo naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, ny 19 jolay teo, ireo telo mianadahy ka tsy ampy taona ny iray. Nangalatra vola mitetina 6 tapitrisa Ar tao amin’ny fokontany Andrama­sina, kaominina Am-batomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, izy ireo. Nipetraka tao amin’ny fianakaviany ary nametrahan’izy ireo fitokisana ilay ankizivavy vao 13 taona. Tsy hita tampoka io […]