Ny ankizy, hono, no tia tsapa fatana, ny lehibe no tia tonotono. Hanao ahoana ihany ny amin’ny fandaminana sy filaminana eny ifotony ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fisian’ny hetsika etsy sy eroa amin’ny fanalana na fanoloana ben’ny Tanàna na lehiben’ny Fokontany. Manjary misy fifanaovana ankolafiny […]
Taratra
Vovonana mahitsy fijery: « Ilaina tarehimarika mazava ny fitsitsiana atao »
Nitondra ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana mahitsy fijery, tarihin-dRavololomanana Lalatiana. Maromaro ireo fitakiana nambaran’izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ity vovonana ity fa mila mazava ny fepetra sy ny fandraisana andraikitry ny mpitantana ho fanitsiana sy fanovana, miainga amin’ireo teboka efatra tamin’ireny famindram-pahefana amin’ireo minisitra miisa 28 ireny. Eo […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Sampana mikaroka ny fandikan-dalàna Atsinanana, ny 4 novambra 2025 lasa teo. Tratra nivarotra sy nitazona rongony izy. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahatrarana rongony milanja 35 kg, izay nafenina tanaty valizy sy harona. Nosamborina ary nentina ao amin’ny Kaomisaria foibe Toamasina […]
Fiara tra-doza teny amin’ny RN2: Maty tsy tra-drano ilay mpamily
Namoizana ain’olona iray indray teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny sampanan-dalana Galois Ampasimadinika, Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly. Fiara an’olon-tsotra marika Hyundai, niloko maitso, nisongona kamiao mpitatitra entana, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ny mpamily io fiara io, kinanjo nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao […]
Ambohidratrimo: Mpivarotra rongony voasambotra
Notanan’ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy mpivarotra zava-mahadomelina iray tratra tao Ampefiloha, fokontany Antanantanana, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, omaly. Nanao angom-baovao teny an-toerana, manoloana ny fisiana olona manaparitaka rongony ny solontenan’ny zandary. Nidina ifotony tampoka nanao fisavana ny tokantrano voatondro ho mpivarotra eny amin’io fokontany voatondro io izy ireo. Tsy afa-nanda, nahitan’ny […]





