Taratra

Fanatanjahantena – sampandraharaham-panjakana : Pao-droa ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina

Tsy nataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ran­dria­fanomezantsoa Alain, ambanin-javatra ny fanohanana ny ekipan’ny kaominina, Ascut, taranja baolina kitra. Nandritra ny famaranana teo amin’ny fifaninanana fanatanjahantena anivon’ny sampandraharaham-panjakana “Asief”, tao amin’ny Kianja manara-penitra Barikadimy, ny sabotsy teo, no nahitana an’izany. Izy ben’ny Tanàna mihitsy no nitarika ny mpiasan’ny kaominina ho tonga maro […]

RN1: Mpitondra bisikileta maty voafaokan’ny fiara

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, ny alahady hariva teo. Nandeha mafy ny fiara iray ka voafaoka tampoka tamin’izany, io lehilahy nitondra bisikileta io. Niakarapoka tamin’ny tany izy, vaky ra ary tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ny nanatri-maso ilay […]

Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert

Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948. Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Ma­dagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ra­tsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny […]

INDRAY MIJERY

 Nanatanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’ny mponina tao Port-Berger ireo dokotera miisa 4 misehatra amin’izany. Nampita ny traikefany amin’ny fanaovana asa sosialy ny loholona ao Mahajanga, Pr Tiandraza Dinaraly Odilon, mba hanala ny fahasahiranan’ny mpiara-belona.  Nanao hetsika vao maraina ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara mba hamahana ny olan’ ny vatsim-pianarana […]

Kaominina Belemoka (Ikongo) : Babena ny sakafo entina ho an’ny mponina

Tsy nisy ny aina nafoy vo­katry ny aretina tazo na ny tsy fanjarian-tsakafo teny anivon’ ny tobim-pahasalamana tamin’ ny kaominina telo: Ambato-fotsy, Ikongo, Maromiandra, niasan’ny mpisehatra nan­dritra ny herinandro lasa teo, araka ny tatitry ny Corupi. Ni­tombo ny isan’ny olona manatona ny tobim-pahasalamana raisina an-tanana ny fahasalamany vokatry ny fitsidihana […]