Taratra

Toamasina : Tovovavy 15 taona nananton-tena

Tovovavy mbola mpianatra hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny fokontany Andranomadio, parisela 11/43, kaominina Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Vao 15 taona monja ary mianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana io ankizy io. Tsy nody an-trano izy efa ho roa herinandro mahery. Nikaroka azy nandritra izany ny […]

Raharaha Ambohimalaza : Tsy mbola voaantson’ny zandary ny tompom-pety

Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola nampanantsoina teny amin’ny zandary ilay tompon’ny fety teny Ambohimalaza. Efa misy olona 17 sitrana, nivoaka ny hopitaly, raha ny vaovao ofisialy. Natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo olona telo efa notanana vonjimaika, niampy ny renin’i Fenohasina ilay tompom-pety, omaly. “Atao fanadihadiana […]

Taom-piotazana lavanila 2025 : Nitotongana ny vidiny, sanganehana ny tantsaha

Efa saika nivoaka avokoa ny taom-piotazana ny vokatra lavanila ho an’ ny faritra maro. Ny talata 15 jolay teo, nisy ny lanonana ho fanehoana izany fisokafany izany ho an’ny faritra Atsin­a­nana, tetsy amin’ny kaominina am­banivohitra Antete­zambaro. Velon-taraina ny tantsaha mpamboly nandritra ny lanonana fampahafantarana ny taom-piotazana ny vokatra lavanila, ny […]

Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5

Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-So­a­nierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny […]

RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny […]